Alahady 7 Jolay 2019

Iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, Izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra. Efesiana 4:6

Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra. 1 Timoty 2:5, 6

 

Ilay Andriamanitra katsahinao

Nalaina tao amin’ny Baiboly : “Ary Paoly nitsangana teo afovoan’i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana… raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao : HO AN’IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo, dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana… Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra ; ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ny tany rehetra… mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy ; fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika ; araka ny nataon’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe : ‘Fa terany koa isika.’ Ary satria terak’Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban’Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’olombelona. Ary Andriamanitra … ankehitriny ... mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka, satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty.

Ary raha nahare ny amin’ny fitsanganan’ny maty izy, dia nihomehy ny sasany ; ary ny sasany kosa nanao hoe : Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany zavatra izany… Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino.” (Asan’ny Apostoly 17:22-34)