Alatsinainy 8 Jolay 2019

Vokiso ny famindramponao nony maraina izahay, mba hihobianay sy hifalianay. Salamo 90:14

Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa. Isaia 40:31

 

Hosaintsainina

Izay ho ampitsonao dia miankina amin’ireo safidy ataonao androany.

——————————

Aza manisy baraingo eo amin’izay efa nasian’Andriamanitra teboka farany.

——————————

Raha miara-miaina amin’ny Tompo isika, dia hiaina manoha riana eo amin’izao tontolo izao, amin’ny lafiny ara-toe-panahy.

——————————

Raha manenika antsika ny fahatsiarovan-tena ho malemy, dia Andriamanitra no ho herintsika.

——————————

Izay miara-mandeha amin’Andriamanitra dia hahita ihany koa ny lalany ao anatin’ny haizina.

——————————

Tsy hoe rehefa tsy misy ady no manana ny tena fiadanana isika, fa rehefa miorina amin’Ilay Andriamanitry ny fiadanana ny finoantsika.

——————————

Ny maha izy ahy sy ianao dia noho ny fahasoavan’Andriamanitra. Mamonjy antsika ny fahasoavany, mitarika antsika ary manome fanantenana ho antsika.

——————————

Ny fo manolo-tena ho an’i Kristy dia manolo-tena ihany koa ho an’ireo izay tian’i Kristy.

——————————

Vonona ny hidera an’Andriamanitro ve aho, alohan’ny hiposahan’ny masoandro, toy ny ataon’ny voronkely ?