Talata 9 Jolay 2019

Aza matahotra, ry Daniela ; fa hatramin’ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan’Andriamanitrao dia reko ny teninao. Daniela 10:12

 

Ianao Izay mpihaino vavaka !

Hatry ny fony tanora ny mpaminany Daniela dia efa nivavaka tam-pinoana lehibe tamin’Ilay Andriamaniny. Nivavaka mafy izy ho an’ny fireneny, izay niara-sesitany taminy tany Babylona. Nivavaka nandritra ny 21 andro izy (Daniela 10:13), ary na dia afaka telo herinandro aza vao nahazo valim-bavaka, Andriamanitra kosa efa nihaino azy hatramin’ny andro voalohany. Noraisin’Andriamanitra ho zava-dehibe ny naha sahiran-tsaina ilay mpanompo malalany, izay nanahy ny amin’ny hoavin’ny fireneny.

Resahina ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly i Kornelio, kapiteny tao amin’ny tafika romana. Mbola tsy nahalala ny Filazantsara izy, nefa nivavaka tsy tapaka. Nihaino azy ve Andriamanitra ? Nampitondra teny ho an’i Kornelio Izy hoe : “Ny fivavakao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 10:4). Rehefa tany an-taniefitra i Hagara sy ny zanany, ary tsy nanana na inona na inona, dia “ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza” (Genesisy 21:17).

Ren’Andriamanitra ny vavaka ataontsika, tsarovany izany, ary tsy misy hadinony na dia ny iray amin’ireny aza. Matetika loatra isika, rehefa avy nahazo izay zavatra nangatahintsika (fahasitranana, fahafahana fanadinana, sns.) vao mihevitra ho nahazo valim-bavaka avy amin’Andriamanitra. Amin’ny fomba maro anefa Andriamanitra no mamaly : “eny”, na indraindray “tsia”, na koa “andraso kely”… Haintsika ve ny mamantatra ny valim-bavaka omeny ?

Ren’Andriamanitra mandrakariva ny vavaka ataontsika, eny fa na ny sentontsika koa aza. Koa aoka àry isika ho tony ary hatoky ny fitiavan’Andriamanitra : ho tonga amin’ny fotoana ilàna azy ny valim-bavaka tandrify.

Jesosy dia nivavaka tsy tapaka. Hoy Izy tamin’ny Rainy : “Fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao” (Jaona 11:42). Andriamanitra dia tsy rendremana na oviana na oviana, fa mihaino ny feon’ny zanany ary mamaly “amin’izay andro mahory” (Hebreo 4:16).