Alarobia 10 Jolay 2019

Fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona, araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy. 2 Petera 1:21

 

Sahia mamantatra ny Baiboly ! (2)

Fahiny elabe talohan’ny nahatongavan’i Jesosy Kristy, dia efa teo avokoa ny singa rehetra hampisy ilay boky ho be mpividy indrindra maneran-tany, dia ny Baiboly ! Fa inona moa no zava-nitranga e ? Ary ahoana no naha tafapaka atỳ amintsika io tahirin-karenan’ny haisoratra io ?

Rehefa mahay manoratra ary manana hafatra lehibe hampitaina, tsy mby ao an-tsaina avy hatrany ve ny hanoratra izany, amin’ny fomba rehetra ? Izany no nataon’ireo mpanoratra ny Baiboly, “araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy” (2 Petera 1:21). Tsy nifankahalala izy ireo, mazàna, ary nanoratra lahatsoratra isan-karazany maro, tamin’ny teny hebreo, na arameana, na grika. Miisa 40 izy ireo fara fahakeliny, ary tena samihafa fiaviana, fari-piainana, vanimpotoana niainana. Tao ny mpitarika olona (Mosesy), miaramila (Josoa), mpitsara (Samoela), mpanjaka (Davida, Solomona), mpiandry ondry (Amosa), mpaminany (Isaia, Jeremia…), minisitra (Daniela), mpisorona (Ezekiela), mpandroso sakafo (Nehemia), mpamory hetra (Matio), mpanarato (Petera, Jaona), mpitsabo (Lioka). Nisy tamin’ireo, tsy nianatra (Petera, Jaona) ; nisy, manam-pahaizana (Paoly), gadra (Jeremia, Paoly), natao sesitany (Jaona). Nisy tamin’ireo, tany Jerosalema, tany Babylona, tany Roma… Izy ireo dia niaina tanelanelan’ny taona 1400 tany ho any talohan’i Jesosy Kristy, sy ny taona 100 taorianan’i Jesosy Kristy. Maro tamin’ireo mpanoratra ireo no nilaza fa ny tenin’Andriamanitra mihitsy no nambarany.

Ny teny voasoratra tamin’izany dia niampita teo am-pelatanana mpandika soratanana, mpahay tantara, manampahaizana. Notandremana fatratra ny fitehirizana ireo lahatsoratra ireo, ary izany dia manaporofo fa nekena ho manan-danja izy ireo : notehirizina tao amin’ny Tempoly, nadika imbetsaka tam-pitandremana fatratra. Dia nanjary niha nanana fahefana ara-toe-panahy ireo lahatsoratra ireo, ka niavaka tamin’ny asasoratra hafa, ary avy eo dia nekena ho Tenin’Andriamanitra. Ianao koa ankehitriny dia afaka “misedra” ny Baiboly, mihazona azy amin’ny teniny. Dia ho hitanao…