Alakamisy 11 Jolay 2019

Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany koa no nahazoantsika ny fahafahana manatona izao fahasoavana itoerantsika izao, noho ny finoana ; koa mirehareha amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra isika. Romana 5:1-2 (Fanitsiana fahenina 2011)

 

Ny lasa, ny ankehitriny, ny hoavy

Io andalan-tSoratra Masina io dia manoritsoritra amin’ny teny vitsy ny fomba nandraisan’i Jesosy Kristy an-tanana, noho ny asa nataony teo amin’ny hazofijaliana, ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavin’ny mpino tsirairay.

Momba ny lasantsika dia nitondra ny famaizana sahaza ny fahotantsika Kristy. Maty nisolo toerana antsika Izy, Ilay marina, mba hamonjy olona tsy marina. Voavela heloka izay mino fitiavana lehibe toy izany sy ny hasarobidin’io sorona io, ho an’ny tenany. Ambaran’Andriamanitra hoe marina izy. Koa dia vita fihavanana amin’Andriamanitra izy. Tsy misy sakana intsony eo aminy sy Ilay Andriamanitra masina, satria afa-po tanteraka Andriamanitra tamin’ny asa nataon’ny Zanany.

Ho an’ny ankehitriny, ireo olona nohamarinina ireo, izay manana ny ain’i Kristy, dia ataon’Andriamanitra hoe zanany : natsangany ho zanaka mantsy izy ireo, mahita fitia aminy, ary tiany. Jereny tsirairay am-pitiavana izy ireo. Ary faly Andriamanitra Raintsika rehefa mitondra tena tahaka an’i Kristy ny zanany, eto amin’izao tontolo izao. Ho amin’izany dia miahy antsika tsirairay Izy. Miteny amintsika amin’ny alalan’ny Teniny Izy. Mihaino ny vavaka ataontsika Izy ary mamaly izany. Raisiny an-tanana isanandro isika. Koa ny fiainantsika dia fiainana miombona amin’Andriamanitra Ray sy amin’ny Zanany.

Ny hoavintsika koa, dia azo antoka tsara. Rehefa mifarana ny fiainantsika etỳ an-tany, dia ho hita amin’ny tena maha izy azy ny halehiben’io fiainana miombona amin’Andriamanitra io, satria amin’ny indray mipy maso no hampidiran’i Jesosy antsika ao amin’ny voninahitr’Andriamanitra. Tsy fihamboana tsy akory izany fanantenana be voninahitra izany, fa fanantenana miorina amin’ny asa lavorary nataon’i Kristy sy amin’izay ambaran’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, izay fahamarinana.