Zoma 12 Jolay 2019

(Hoy Jesosy :) Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo ... Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon’ny ota. Jaona 8:32, 34

Ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 6:11

 

Miaina an-kalalahana

“Tsy ny fahatsapana ho manana fahafahana no nofinofy, fa tena ny fahafahana mihitsy”, hoy ilay mpanoratra tantara antsoina hoe G. Bessette. Andao hiaina amim-pahafahana e ! Izany no antsoantson’ny fon’ny tanora manantena hiaina tsy misy faneriterena. Olon-dehibe maro koa no maniry izany, sady minia mitampi-maso tsy hijery ireo fatorana isan-karazany manandevo azy ireo. Fahafahana sandoka ireny, ekena ary matetika no anaovana tsinontsinona izay ampianarin’Ilay Mpahary antsika ao amin’ny Baiboly ; fahafahana sandoka mitondra ho amin’ny fiankinan-doha, amina fanandevozana tsy mifaditra ovana, amin’ny fahasimbana ara-toe-panahy, ary indraindray aza mampikororosy fahana : tanterak’i Satana ny asany. “Izay maharesy ny olona dia mahandevo azy” (2 Petera 2:19).

Very ny tena fahafahana, ho an’ny olona tafasaraka amin’Andriamanitra. Andevon’izay naharesy azy izy, ka tsy afa-manao na inona na inona hialana amin’ny fangejany. Kanefa Andriamanitra, Izay tia ny olona noarìny, dia nahita ny fatorantsika sy ny fijaliantsika (Salamo 102:19-20). Niditra an-tsehatra Izy mba hanafaka antsika sy hamaha antsika ho afaka amin’ny fanandevozan’ny ota, amin’ny tahotra ny fahafatesana, ary amin’izao tontolo izao sy i Satana, ilay andrianany. Nirahiny Jesosy Zanany mba handrava ny asan’ny devoly. Mba hanatanterahany izany, dia naka ny toetra maha olombelona Jesosy, saingy olombelona tsy mba nanana ota ; nanetry tena hatramin’ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy. Teo Izy no nizaka ny famaizana sahaza ny olona mpanota. Mpandresy Izy no niditra tao amin’ny fahafatesana, izay sehatr’i Satana, ary nitsangana tamin’ny maty. Izay mitoky aminy dia omeny aina, fahamarinana, fiadanana ary fahafahana. Tsy mba nofinofy ny fahafahan’ny kristiana. Lafo dia lafo ny nahazoana izany, ary omen’Andriamanitra maimaimpoana ho an’ireo izay mahatsapa ny toetra maha andevo azy, ka mijery am-pinoana Ilay Mpanafaka lehibe nanafaka azy, dia Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra.