Asabotsy 13 Jolay 2019

Fa ... fony mbola fahavalo ... isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany. Romana 5:10

Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia ... araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika. Titosy 3:4, 5

Fa ianareo rehetra dia zanak’Andriamanitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy. Galatiana 3:26

 

Ny tena fahasoavan’Andriamanitra (1)

Ao amin’ny Testamenta Taloha (2 Samoela 9), ny tantaran’i Mefiboseta dia manampy antsika hahatakatra ny atao hoe fahasoavan’Andriamanitra, ny fitiavany antsika izay tsy mendrika hotiaviny.

Vao nandimby an’i Saoly i Davida mpanjaka, ary nanontany hoe : “Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’i Saoly, mba hasiako soa ?” (2 Samoela 9:3). Dia nolazaina taminy fa misy zafikelin’i Saoly iray malemy tongotra any.

Saoly dia nanjaka talohan’i Davida. Saingy feno fialonana izy, ka nankahala an’i Davida, ilay ho mpanjaka, ary mandra-pahafatiny dia nitady ny hamono azy. Malemy tongotra i Mefiboseta zafikelin’i Saoly. Fahiny anefa dia noesoina i Davida, nilazana fa ny malemy tongotra sy ny jamba dia mahery kokoa noho izy. Tsy tian’i Davida ny nahatsiaro izany (jereo 2 Samoela 5:6-9).

Noho izany i Mefiboseta, izay zafikelin’ny fahavalon’i Davida sady malemy tongotra, dia tsy manana na inona na inona hahitany fitia eo amin’ny mpanjaka. Ny mifanohitra amin’izany aza ! Nefa dia nampanalain’i Davida izy. Ary rehefa tonga teo aminy izy, feno tahotra, dia noraisin’i Davida tamin-kamoram-po. Nomeny fananana sy mpanompo izy… Ary mihoatra noho izany aza, dia nodidiany fa manomboka tamin’izay dia hiara-misakafo aminy isanandro izy, toy ny zanaky ny mpanjaka !

Izany nataon’i Davida izany dia maneho amintsika ny fomba tian’Andriamanitra hamindrana fo amintsika : fahavalon’Andriamanitra ny olona. Mpanota izy, “halan’Andriamanitra” (Romana 1:30), ka tsy manana na inona na inona haha mendrika azy hahita fitia eo amin’Andriamanitra. Kanefa notadiavin’Andriamanitra izy, mba horaisiny amin-kamoram-po sy mba havelany heloka. Mihoatra noho izany aza, tiany hatao ho zanaka izy, tiany ho zanaka malala. Ny hany tadiavina amin’izany dia ny mino an’i Jesosy, Izay nohelohina nisolo toerana antsika sy nitondra teo amin’ny hazofijaliana ny famaizana sahaza antsika.