Alahady 14 Jolay 2019

Fa Andriamanitra, Izay manankarena amin’ny famindrampo ... na dia fony mbola matin’ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo). Efesiana 2:4, 5

Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra ... efa niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy. 1 Petera 5:10

 

Ny tena fahasoavan’Andriamanitra (2)

Ny tantaran’i Mefiboseta nodinihina omaly dia manampy antsika hahatakatra ny atao hoe fahasoavan’Andriamanitra. Manasongadina toetra sasantsasany mamaritra izany io tantara io :

— Ny fahasoavana dia feno fiandrianana. Tsy nisy nanery an’i Davida mpanjaka hihevitra ny taranak’i Saoly, izay nankahala azy. Raha navelany teo amin’ny toerana nisy azy ny zafikelin’i Saoly, dia ho rariny tanteraka izany !

— Ny fahasoavana dia miantefa amin’ireo izay tsy mendrika ny hahazo na inona na inona ; ary arakaraka ny maha tsy mendrika ilay tolorana izany no mampamirapiratra ny fahasoavana. Mefiboseta dia taranak’i Saoly, sady malemy tongotra, ka tsy nanana na inona na inona tokony hampisy lanja azy teo anatrehan’i Davida.

— Ny fahasoavana dia miasa ao anatin’ny fahalalana feno ny toejava-misy. Tsy niafina tamin’i Davida ny fiavian’i Mefiboseta sy ny kilemany. Koa dia afaka nilamin-tsaina tanteraka i Mefiboseta. Fantatr’i Davida tsara hoe iza ilay asainy hisakafo eo amin’ny latabany !

— Ny fahasoavana dia manome maimaimpoana ary be dia be. Nampanalain’i Davida i Mefiboseta, notolorany fananana betsaka, nomeny toeram-boninahitra. Ary izany rehetra izany dia tsy nisy takalony. Raha nihambo hanefa ny sandan’izany i Mefiboseta, dia ho naniratsira ny mpanjaka…

— Ny fahasoavana dia mandroaka ny tahotra ary miteraka fahatokiana. Natahotra ilay zafikelin’i Saoly, niseho teo anatrehan’ny mpanjaka. Nefa hoy izy taminy : “Aza matahotra”. Nampitony ny tebitebiny i Davida ary nahazo ny fitokisany. Mbola nalemy tongotra hatrany izy, kanefa afaka nipetraka tam-piadanana, sambatra sy nahazo aina, niara-nisakafo tamin’i Davida.

— Ny fahasoavana dia manosika hitsaoka. Nitolagaga i Mefiboseta sady menatra, manoloana ny fahatsaram-po, izay tsy mendrika azy, nasehon’i Davida. Nahatsapa tanteraka ny tsy fahamendrehany izy ka niankohoka, ary niteny hoe: “Zinona moa aho mpanomponao, izay toy ny alika maty, no mba jerenao ?”