Alahady 15 Jolay 2019

Fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra... 2 Timoty 3:1, 2

Ny Tompo ... mahari-po aminareo ..., ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. 2 Petera 3:9

 

Fitotonganana

“Planeta manao ahoana re no mba havelantsika ho an’ny zanatsika e ?” Fanontaniana apetraka matetika kokoa hatrany izany, maneho ny fanahian’ny ankamaroan’ny mpiara-belona amintsika. Fanontaniana lehibe hafa koa, tsy ahitantsika fanafany, ny asa fampihorohoroana, ny ady, ny olana ara-toekarena sy ara-piarahamonina.

Manoloana ny herisetra sy korontana maro miseho, dia betsaka ny olona mihevitra fa tsy misy izany Andriamanitra marina sy tsara fo izany. Mampianatra antsika anefa ny Baiboly, fa tsy toy izay misy amin’izao fotoana izao no naharian’Andriamanitra ny tany : izay rehetra novolavolainy sy noarìny dia “tsara indrindra” (Genesisy 1:31).

Ny firongatry ny fahavetavetana, izay tena mampivarahontsana, ny fahaverezan’ireo soridalana ara-pitondrantena, dia samy vokatry ny ota sy ny fandavana an’Andriamanitra avokoa.

Toejavatra tsy azo antenaina hihatsara izany, tsy misy fanantenana hiverenan’ny daholobe ho eo amin’Andriamanitra. Nefa Jesosy dia tonga indray mandeha tetỳ an-tany, tsy hoe handamina izany fahavoazana be izany tsy akory, satria tsy tonga mba hitsara Izy, fa mba hamonjy izay rehetra mino Azy. Nirahin’Andriamanitra Izy mba hanaisotra ny fahotantsika, izay nampisaraka antsika taminy. Rehefa mandray an’i Jesosy ho Mpamonjy isika, dia mahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra. Aoka isika hiaiky fa tsy mahomby ny toetrantsika anaty, ary handray ho antsika manokana ny famotsoran-keloka atolotr’Ilay Andriamanitra tia antsika. Te hanafaka antsika Izy ary te hanome antsika aina vaovao, miorina amin’ny sorona nataon’i Kristy, Izay maty sy nitsangana tamin’ny maty.