Talata 16 Jolay 2019

Fa ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro. Ohabolana 4:18

Ankehitriny sombintsombiny no fantatro ; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy. 1 Korintiana 13:12

 

Fanatrehana, fa tsy mari-pamantarana

Mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra

Any ivelany any, matetika ny lalana eny an-tendrombohitra dia misy mari-pamantarana toy ny tsipika miloko isan-karazany, ary indraindray tondro na tanambokovoko. Zavatra telo no ambara : ny fandroson’ilay lalankely, ny fiovan’ny zotra ary ny lalana tsy azo aleha.

Indraindray dia mba tiantsika hisy mari-pamantarana toy izany ny lalam-piainantsika, ary mieritreritra isika hoe : “Raha mba fantatro mantsy izay hitranga rahampitso, dia hanampy ahy hanao safidy tsara izany !” Izany anefa dia ho fialana amin’ny maha olombelona antsika… satria Andriamanitra irery ihany no tompon’ny hoavy.

Mahafantatra ny fiainantsika ny Tompo, kanefa tsy mitondra antsika toy ny amina lalana efa voasoritra mialoha. Na izany aza anefa, raha tena eritreretina, dia zavatra tsara kokoa noho ny mari-pamantarana no atolotry ny Tompo Jesosy antsika : taominy isika hanaraka Azy !

Izay mino Azy dia tsy mba tavela ho irery. Manomboka eo mantsy dia mifamatotra amin’ny Tompo ny fiainany. Izao no tsiambaratelon’ny mpianatr’i Jesosy : manaiky Azy ho Tompony, mihaino Azy ao amin’ny Teniny, mivavaka aminy, ary miaina miaraka aminy. Tsy maintsy mailo mandrakariva izy, mba ho tafatoetra eo amin’ny fanatrehan’ny Tompony, mba hahita, na hahita indray, ny fiombonana aminy. Izany no atao hoe miditra ao amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

Ny andro tsirairay iainako miaraka amin’ny Tompo dia manorina ny hoaviko. Ny hoe mikatsaka ny sitrapon’Andriamanitra, izany, dia miara-dia aminy, mandra-pahatonga ny andro hanaovantsika jery todika eo ambany fanazavan’Andriamanitra, rehefa mby any an-danitra, ny lalana nizorantsika tetỳ an-tany.