Alarobia 17 Jolay 2019

Ny mpiasa [dia] niasa tao an-tranon’i Jehovah hanamboarana sy hanamafiana ny trano... Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin’ny lalànan’i Jehovah, ilay nampilazaina an’i Mosesy... Ary Safana nitondra ny boky ho any amin’ny mpanjaka. 2 Tantara 34:10-16

 

Sahia mamantatra ny Baiboly ! (3)

Indraindray dia ilaina ny mampitsahatra avy hatrany ny fitsikerana mora atao toy ny hoe : “Ny Baiboly dia novaovaina teny an-dalana teny”. Tsy misy olona terena hino ny Baiboly, kanefa ny tsirairay kosa dia tokony hanaiky fa tsy manam-paharoa ihany koa io boky io, tamin’ny fomba namakivakiany ireo taonjato nifanesy.

Voka-pikarohana betsaka momba ny vakoka fahiny no manamarina trangan-javatra maro tantarain’ny Baiboly. Nisy koa sombintsombin’ny Testamenta Taloha miisa 200.000 fara fahakeliny, hita tany Le Caire (renivohitr’i Egypta), tamin’ny taona 1890. Soratra tranainy an’arivony koa no hita tany Fayoum (80 km atsimon’i Le Caire) tamin’ny taona 1897, ary maro hafa tamin’ny taona 1930. Ny soratra tranainin’i Nash, voasoratra tamin’ny taonjato voalohany na faharoa, dia hita tamin’ny taona 1902. Ary tamin’ny taona 1947, tao amin’ireo lavabaton’i Qumran (Jôrdania), dia nahitana dika soratanan’ny Testamenta Taloha miisa 600 teo ho eo, natambatambatra avy tamina sombintsombiny an’arivony. Ireo soratra tranainy indrindra hita dia voasoratra tamin’ny taona 400 talohan’i JK. Ny iray amin’ireo dika soratanana dia ny bokin’Isaia manontolo. Kely dia kely ny fahasamihafana hita teo amin’ireo dika soratanana ireo. Foana teo anatrehan’ny zava-nisy ireo fitsikerana natao tamin’izany fotoana izany, momba ny Baiboly.

Ary tamin’ny taona 1975 dia nisy takelaka tanimanga 15.000 teo ho eo, hita tany Tell-Mardikh (Syria), voasoratra tamin’ny taonjato fahatelo talohan’i JK, miresaka olona maro ao amin’ny Baiboly, manoritsoritra ny tontolon’ny patriarka, ary tsy misy fifanoherana amin’ny Baiboly.

Voaporofo izany fa naharitra taonjato maro ny nanoratana ny Testamenta Taloha. Misongadina anefa ny fifanarahan’ny soratra nandritra ny fotoana lavabe toy izany, sy mpanoratra am-polony maro, ary lohahevitra sy karazan-dahatsoratra samihafa. Koa rariny raha heverina hoe fahagagana izany. Fa mba iza kosa re no afaka nanao io fahagagana io e ?