Alakamisy 18 Jolay 2019

(Hoy Jesosy :) Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra ; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy. Jaona 6:51

 

Ny fiainana ho mandrakizay

Taratasy tsy dia mahazatra, avy amina namana efa hatry ny ela :

« Tsapako ankehitriny fa tsy ho ela aho dia ho tody eny an-tampon’ny tendrombohitra. Efa miha mifanakaiky kokoa hatrany ireo marika famantarana eo amin’ny lalako. Tsy lavitra intsony angamba ny farany.

Toa vao tsy ela akory, araka ny fiheverako, ny fientanan’ny fahatanorana nanosika ahy hiroso. Teo anoloako izao tontolo izao sy ny voninahiny manontolo. Mora tamiko ny nianika ireo zana-tohatry ny fahombiazana. Toy ny nandeha ho azy ny fahitako ny zavatra rehetra. Ny fisondrotana ara-politika, ny fahefana, ny harena, ireo rehetra ireo dia noheveriko fa azoko avy tamin’ny fahaizako sy ny herim-poko samirery.

Ary ankehitriny kosa ? Hifarana ny fiainako, ary manomboka ho tsy misy dikany intsony ny zava-drehetra. Tena ankasitrahiko ianao, tsy nahafoy ahy na oviana na oviana. Impiry impiry moa no nasehonao ahy ny toeram-pahaverezana nisy ahy ! Nefa dia noheveriko ho olona tsy ampy saina ianao. Ary matetika no nihomehezako fotsiny ny fampitandremanao.

Kanefa nony maty ilay vady malalako, dia nisy toy ny kiran-trondro niala avy teo amin’ny masoko. Hitako faly tokoa izy nankany amin’Ilay Mpamonjiny, ary takatro tsara fa tsy mba nanana antoka toy izany aho. Niaiky tamin-dranomaso teo anatrehan’i Jesosy Kristy aho fa tena lehibe ny fahamelohana nangoniko nandritra ny fotoana nanaovako politika. Navelan’ny Tompo Jesosy ny fahotako rehetra, ary nomeny ny fiainana mandrakizay aho. Ankehitriny dia tsy matahotra intsony aho, manoloana ny fahafatesana. »

(Näher zu Dir [Akaiky Anao kokoa], 07.01.2015)