Zoma 19 Jolay 2019

Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena. Ohabolana 9:10

 

Ny tena fahendrena

Mampangovitra matetika ny tontolon’ny fitantanam-bola, ary firenena maro mihitsy aza, ny sandam-bola mitotongana tampoka. Nisy manampahaizana manokana nanao fanamarihana hoe : “Ny fangorohoroana manoloana ny fitotonganan’ny sandam-bola no fiandoham-pahendrena”. Ny tenin’ny Baiboly etsy ambony no nalainy tahaka ary nampihariny amin’ny tontolon’ny fitantanam-bola, mba hihomehezana. Saingy nosoloany hoe “fangorohoroana” ny teny hoe “fahatahorana”, izay tena hafa tanteraka ! Satria mantsy, rehefa miresaka fahatahorana an’Andriamanitra ny Baiboly, dia tsy milaza fangorohoroana, fa fanajana Azy.

Fahendrena inona moa no tao an-tsain’io mpanolotsaina ara-toekarena io ? Tsotra fotsiny : fahendrena mpanambola te hampitombo ny volany am-pahakingana, fa tsy te hanao kinanga. Ny fahendrena omen’Andriamanitra dia mampahafantatra antsika fa tsy misy na inona na inona mafy orina eto amin’izao tontolo izao, ka tokony hitodika amin’Andriamanitra isika ary hiankina aminy. Ny fahendren’izao tontolo izao dia momba ny zavatry ny tany, ny olona, ireo fananany, ireo faniriany. Ny tena fahendrena kosa dia mitodika amin’Ilay Andriamanitra Mpahary sy Mpamonjy.

Fiteny mahazatra ny hoe ny vola no manapaka izao tontolo izao, kanefa toe-javatra tena mampidi-doza izany. Satria tsy Andriamanitra sy ny fiheviny intsony izany no manetsika ny fiainantsika, fa ny fitiavam-bola, izay sampy, “fototry ny ratsy rehetra”, ary mampivily hiala amin’ny finoana (1 Timoty 6:10). Ny tena fahendrena dia ny manome an’Andriamanitra ny toerana voalohany ao am-pontsika. Izy dia tsy mba miova, ary mitondra fifaliana mandrakizay ny fanomezany. “Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana” (Jakoba 1:17).