Asabotsy 20 Jolay 2019

Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela ... ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo. Hebreo 4:12

 

Vela-pandrika

Taona vitsivitsy lasa izay, tany Inde, dia nisy kristiana iray notafihin’andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, izay niandry ny handalovany teo amoron-dalana. Nalain’izy ireo ny volany, ny famantaranandrony, ary ny peratra mariaziny. Dia lasan’izy ireo ny fiarany, ary talohan’ny niaingany dia nandray Baiboly iray teo ambony sezan’ny fiara ny iray tamin’ireo jiolahy, nanondro izany tamin’ny endrika manambany, ary nanofahofa azy, ho fanaovam-beloma. Kinga saina ilay kristiana, nahateny mafy tamin’ilay jiolahy hoe : “Mba vakio matetika izy iny e !”

Enin-taona tatỳ aoriana dia naharay taratasy tsy nampoiziny velively io kristiana io, satria teo amin’ny pejy voalohany tao amin’ilay Baiboly ny anarany sy ny adiresiny. Izao no voasoratra tao :

« Nanambana anao tamin’ny basy aho, ary nangalatra ny volanao. Kanefa tsy haiko nohadinoina ny endrikao tony dia tony sy feno fiadanana. Mba te hisaotra anao aho androany : namonjy ny aiko sy ny ain’ny vadiko ianao. Ilay Baiboly hitako tao anatin’ny fiaranao tokoa mantsy no fitaovana nahazoako fanafahana. Novakiako izy io, ary nanova ny fiainako. Niala tsy ho anisan’ilay andian-jiolahy intsony aho, ary niverina tany amin’ny faritany niaviako. Reko vao haingana fa maty ny telo tamin’ireo namako taloha, teo am-panafihana fiara iray hafa, teo amin’ilay toerana nanafihanay anao indrindra. Raha tsy io hafatra velona ambaran’ny Baiboly io, dia ho toa azy ireo koa no ho niafarako, ary dia ho very mandrakizay aho. »

“Tsy tahaka ny afo va ny teniko ? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va ?” (Jeremia 23:29).