Alahady 21 Jolay 2019

Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy. 1 Samoela 22:2

(Hoy Jesosy :) Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. Jaona 14:27

 

Mpamonjy maro sa Mpamonjy Iray

Tonga haingana ny vonjy voina, nampaneno anjombona mafy. Niolomay ireo mpamonjy voina. Ary nony tany amin’ny hôpitaly dia mbola nifarimbona toy izany koa ny hafa ; haingana ! ôksizena, tsindrona… natao daholo izay azo natao mba hamonjena ity olona namono tena.

Saingy nisy zavatra tsy vitan’ireo mpamonjy voina ireo, ho an’ity vehivavy nokarakaraina fatratra ity. Rehefa namerina ny ainy izy ireo, dia namerina taminy koa ny famoizam-po nanosika azy hamono tena. Ny famonjena ny vatana mantsy dia tsy midika ho fanafahana ny fanahy. Nanana mpamonjy voina izy, saingy mbola mila Mpamonjy.

Iza no afaka manova ny fiainan’ity olona ity, mamela ny heloka nataony, manome azy antom-piainana vaovao, manome toky azy momba ny hoavy ? Raha atao bango tokana : mamerina aminy ny fanantenana ?

Ho amin’izany no nahatongavan’i Jesosy tetỳ an-tany. Nentina teo aminy ny demoniaka, nandroaka ireo fanahy ratsy tamin’ny teny indraim-bava Izy, nanasitrana ireo rehetra narary —ka tanteraka ny teny nolazain’ny mpaminany Isaia hoe : “Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika” (Matio 8:16, 17 ; Isaia 53:4).

Kivy ve ianao, feno fangidiana, maratran’ny fiainana ? Ianao no taomin’i Jesosy hoe : “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28). Izany fiadanan’ny fanahy izany dia azon’i Jesosy tamin’ny nijaliany sy ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Anio Izy dia te hanome izany fiadanana izany ho an’ireo rehetra mitoky aminy sy mino Azy. Izy mihitsy no fanantenantsika (1 Timoty 1:1).