Alatsinainy 22 Jolay 2019

Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira ... manao hoe : ... Maharitra tsy miova ny zavatra rehetra ; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza. 2 Petera 3:3, 4

Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana. 2 Petera 3:13

 

Tsy misy na inona na inona ho an’ny fo

Miaina ao anaty fiarahamonina mitotongana ara-toe-panahy aman-tsaina isika. Miha tsy fantatra ny atao hoe fianakaviana, fahitsiana, fifankatiavana. Ny mba omena ho an’olona efa leon’ny zava-drehetra sy tsy manana soridalana harahina intsony dia fialamboly ankosotra, lalao filokana, kilalao video, fahafinaretana izay matetika no mivadika ho fiankinan-doha, izay karazam-panandevozana. Tsy misy zavatra tena izy, tsy misy na inona na inona ho an’ny fo. Inona anefa no tsy zaka, mihoatra noho ny fo babangoana ? Tsy mahafeno azy, na dia ny fialamboly rehetra eto amin’izao tontolo izao aza.

Nefa “mandalo ny fanaon’izao fiainana izao” (1 Korintiana 7:31). Fa mifanohitra amin’ny haha potika ny zavatra rehetra mety ho lo, ny Baiboly kosa dia mampiseho amintsika hoavy hafa, lalana efa misokatra dieny ankehitriny, ilay hany lalana mitondra ho amin’ny famonjena.

Hoy Jesosy : “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Ahitana tombontsoa ny mihaino izay lazainy.

Ianao koa angamba mandre mpaniratsira manainga soroka, manontany antsika hoe : “Aiza koa izay Andriamanitrareo eo ? Iza no niverina avy tany ankoatra, mba hampahafantatra ny zava-misy aorianan’ny fahafatesana ?” Ireo izay nahita an’i Jesosy nitsangana tamin’ny maty, anefa, dia nilaza hoe : “Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo” (Lioka 24:34).

Ireo izay mandà tsy hino izany dia hahafantatra ny tena izy ihany, indray andro any, saingy efa ho diso aoriana loatra, amin’izay fotoana izay…

Nahoana ireo kristiana enjehina any amin’ny firenena sasantsasany no misafidy ny higadra na hampijalijaliana, toy izay hivadika amin’ny finoany, nefa hanafaka azy ireo izany ? Aleony mihaino an’Andriamanitra sy mankatò Azy, toy izay manaiky ny olombelona. Manome voninahitra an’Andriamanitra ny vavolombelona toy izany ; ary Andriamanitra hahay hamaly fitia azy ireo.