Talata 23 Jolay 2019

Tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany. Ny olona tany Ninive ... nibebaka ... tamin’ny nitorian’i Jona teny ; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto. Matio 12:40, 41

 

Olona tany Ninive

Nadinin’ireo tompon’andraikitra ara-pivavahana teo amin’ny fireneny Jesosy, nangatahany famantarana mahagaga hanaporofoiny fa Izy tokoa no Kristy, Ilay nirahin’Andriamanitra. Hentitra Izy namaly azy ireo hoe hisy tokoa izany fahagagana izany, ary nanao fampitahana tamin’i Jona, izay tafavoaka velona avy tao an-kibona hazandrano lehibe, rehefa nitoetra hateloana tao. Ny tantaran’i Jona dia manambara ireo andro telo hijanonan’i Kristy ao am-pasana, alohan’ny hitsanganany am-boninahitra. Ny mpaminany Jona, toy ny olona nitsangana tamin’ny maty, dia nandeha nitory ny tenin’Andriamanitra tao amin’ilay tanàna lehibe antsoina hoe Ninive (Mossoul, any Irak, ankehitriny). Iray andro monja nitoriana, dia niontana ny fon’ny iray tanàna manontolo. Niantso fibebahana iarahan’ny rehetra ny mpanjaka, ampiana fifadian-kanina ary marika fisaonana : nipetraka tamin’ny lavenona izy ireo ary nisarona lamba fisaonana (Jona 3:5-9). Dia navelan’Andriamanitra ny helok’izy ireo.

Nambaran’i Jesosy tamin’ireo mpiara-belona taminy fa “hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity” ny mponina tao Ninive. Izany dia maneho ny fitsanganan-ko velona amin’ny ho avy, amin’ny andron’ny fitsarana. Koa izy ireo dia ho toy ny vavolombelona miampanga ireo izay nandà tsy handray an’i Kristy ary tsy nibebaka, kanefa ny mponina tao Ninive dia nandray ny tenin’Andriamanitra sy nanome lanja izany.

Fanamarihana miezinezina no namaranan’i Jesosy ny fanoharana nataony, tamin’ny nilazany hoe : “Indro, misy lehibe noho Jona eto”. Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, mantsy, dia ambony lavitra tokoa noho ny mpaminany rehetra, ary tena Andriamanitra sady Olona nitsangana tamin’ny maty, velona mandrakizay. Antsoina isika hitoky aminy.