Alarobia 24 Jolay 2019

Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana. 2 Timoty 3:16

 

Sahia mamantatra ny Baiboly ! (4)

Fantatra izany izao ny fomba nanoratana ny Baiboly, ka ny fomba nandrafetana azy sisa no mbola tokony hofantarina. Tamin’ny taonjato faha 15 talohan’i JK dia nanoratra izay nolazain’Andriamanitra azy i Mosesy. Ireo no boky dimy voalohany ao amin’ny Testamenta Taloha. Avy eo dia nisy mpanoratra maro nandrakitra an-tsoratra ny tantaran’ny vahoaka hebreo. Mandra-pahatonga ny taonjato faha-10 talohan’i JK, dia nisy mpanoratra maromaro koa (Davida, Solomona…) nanao tononkalo, tononkira, ohabolana, teo ambany fitarihan’Andriamanitra. Hatramin’ny taonjato faha-5 talohan’i JK dia vanimpotoanan’ny mpaminany : izy ireo dia nanoratra na nampanoratra ireo hafatra nampitaina taminy, izay voarakitra anaty boky 8. Tamin’ny taonjato faha-5 talohan’i JK, dia nisy mpivavaka nandika ireo lahatsoratra izay efa nankatoavin’ny Jiosy. Tamin’io taonjato io ihany, tamin’ny fotoanandron’i Ezra mpanoratra, dia niely natao sesitany ny Jiosy. Very avokoa ny fananany rehetra. Izany dia nitarika azy ireo hivondrona, ka hiverina amin’ny zavatra izay tsy afaka afa-tsy ny hampiray azy, dia ny Tenin’Ilay Andriamaniny. Ary tamin’izany dia nisy mpanoratra, mpampiana-dalàna ary mpisorona nanambatra ireo lahatsoratra nekena fa nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra.

Jesosy Kristy dia nitanisa matetika ny Testamenta Taloha. Izy koa no nanamarika mialoha ireo “fizarana” telo ho ao amin’izay ho Testamenta Vaovao, dia ireo filazantsara, ny Asan’ny Apostoly sy ny Epistily, ary farany ny Apokalypsy (Jaona 14:26 ; 15:26 ; 16:13).

Tany am-piandohana, ny finoana kristiana dia niely tamin’ny alalan’ny toriteny sy ny fijoroan’ireo apostoly sy ireo kristiana voalohany ho vavolombelona. Tsikelikely teny dia tsapa fa nilaina ny nandrakitra an-tsoratra ny fiainan’i Jesosy sy ny fampianaran’ireo apostoliny.

Tany Carthage, tamin’ny taona 397, taorianan’ny fikarohana sy fitsimbadihan-javatra maro, dia nekena tamin’ny fomba ofisialy ny lahatsoratry ny Baiboly. Aoka koa isika hahay hahita ny lanja tsy manam-paharoa ananany.