Alakamisy 25 Jolay 2019

Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ny Tompo, mba hahatanterahanao izany. Kolosiana 4:17

Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Romana 8:28

 

Ohatra manohina ny fo

Ahoana no hamantarana ny sitrapon’Andriamanitra

Ronaldo Lidorio, misionera tany Ghana tamin’ny taona 1993 ka hatramin’ny taona 1998, dia nitantara hoe : « Anisan’ny tena nampijaly ahy ny fiverimberenan’ny aretina tazo tamiko. Tsy isalasalana fa ny fanoheran’i Satana ny asanay no niteraka ny ankamaroan’ny olana nahazo anay, kanefa Andriamanitra dia nampiasa ireo aretiko niverimberina ireo, mba hanatrarany ny tanjony !

Isaky ny nanandrana nikarakara zavatra iray izahay (handeha hitory Filazantsara lavidavitra kokoa), dia nasian’ny tazo aho, ka voatery nijanona tao Ghana izahay. Ny fotoana rehetra nilaina mba hiverenan’ny heriko dia nampiasaiko handikana ny Baiboly. Ela tatỳ aoriana izahay sy Rossana (vadiko) vao tonga saina hoe ireo taona efatra namparary ahy matetika no tena nampandroso fatratra ny fandikana ny Testamenta Vaovao !

Farany dia voatery niala tao Ghana izahay, noho ny aretiko… Rehefa tafaverina tany Brésil izahay dia nanohy ny asa fandikana aho. Nandritra ny telo taona sy tapany dia mbola nifikitra ihany aho, nandany ora maro teo anoloan’ny solosaina, voahodidina boky maro, ary nieritreritra lalina. Tena nanohana ahy betsaka i Rossana sy ireo zanakay… Ronaldo kely, izay vao roa taona monja fony nandao an’i Ghana izahay, dia tena zatra nahita io asako io, hany ka isaky ny misy manontany azy hoe aiza aho, dia mamaly avy hatrany izy hoe : “Eo anoloan’ny solosaina ny dadako, manao Baiboly”, na eo amin’io toerana io aho na tsia ! Tamin’ny farany, dia vita ny asa… »