Zoma 26 Jolay 2019

Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra. Asan’ny Apostoly 19:19

Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao. Matio 4:7

 

Tsy misy fomba fanao mora

Mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra

Tsy mba misy “fomba fanao” haingana ve, hahafahako mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny fiainako ? Mampiasa saina olona maro izany fanontaniana izany, ary mahita valiny amin’ny fanaovana fombafomba toa maizimaizina ao amina karazana fombam-pivavahana samihafa. Fahotana lehibe ireny fombafomba fanao ireny, ka tena tsy maintsy andosiran’ny kristiana mihitsy.

Kanefa ve ny olona sasany tsy mampiasa kely ihany ny Baiboly toy ny hoe manao majia ? Ohatra, manokatra kisendrasendra ny Baiboly izy, dia mamaky andininy iray heveriny ho mamaly ny fanontaniana apetrany. Marina fa mety hahazo valiny isika rehefa manokatra ny Baiboly amin’izany fomba izany, kanefa rehefa maka andininy iray toy izany isika, dia mety hampihatra azy amina toejavatra tsy misy ifandraisany aminy velively, ary hanova ny fampianaran’ny Soratra Masina (2 Petera 3:16).

Ny hafa indray dia manao antsapaka, mba hamantarany ny sitrapon’Andriamanitra. Heveriny mantsy amin’izany fa Andriamanitra, Izay masi-mandidy, dia afaka miditra an-tsehatra mba hampiseho amin’ny fomba toy izany ny sitrapony. Marina fa afaka manao toy izany tokoa Izy, ary efa nanao izany rahateo tamina mpino talohan’ny vanimpotoana kristiana, ho valin’ny vavaka nataon’izy ireo. Fa ankehitriny kosa, ny kristiana dia tsy afaka ho toy ny hoe hanery an’Andriamanitra hampiseho ny sitrapony, amin’ny fanaovana antsapaka.

Mba hamantarana ny sitrapon’Andriamanitra, dia tsy misy fomba hafa ankoatra ny mikatsaka tsara ny fiheviny ao anaty Baiboly, miaina eo anilany, mivavaka aminy, ary mihaino tsara izay ambaran’ny Fanahiny amintsika. Azo antoka fa hitarika antsika tokoa Izy, kanefa tsy amina fomba majika. Tsy hiovaova Izy… raha matoky azy isika !