Asabotsy 27 Jolay 2019

Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho ; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina ; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy ; fa tsy mety manakaiky anao izy. Salamo 32:8-9

 

Hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho

Mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra

Fampanantenana mahafinaritra tokoa ny hoe : “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho…” ! Te hitari-dalana antsika eo amin’ny lalan’ny fiainana ny Tompo, rehefa toa maizina ny zava-drehetra, nefa koa rehefa hitantsika hoe toa mora ny zava-drehetra.

Mijery antsika am-pahamoram-panahy Andriamanitra : mahafantatra antsika Izy, mitarika antsika ary manitsy antsika ihany koa. Mampitandrina antsika Izy hoe : “Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra…” Mety hihataka amin’ny lalana tian’Andriamanitra arahintsika tokoa mantsy isika, ka hitroatra toy ny soavaly tokony hohazonina, na hitokona toy ny ampondra terena handroso. Ary toy inona moa ny hery lanilany foana, indraindray, amina zavatra tsy misy dikany akory ! Koa amin’izay Andriamanitra dia miasa am-pahendrena amina toejavatra mitranga eo amin’ny fiainana, toejavatra mety ho sarotra, “vy na lamboridy”, mba hampijanona ny firotorotoantsika na hampilefitra ny hamafisan-dohantsika : sarotra amintsika tokoa mantsy ny mankatò Azy ! Amin’izany dia te hamerina antsika Izy, rehefa tsy te hanatona Azy isika. Tiany ho eo anilany isika, mba hanasoavany antsika.

Zanany isika, ka mikarakara antsika Izy mba hanefeny antsika, ary hahasoa antsika, “mba handraisantsika ny fahamasinany” (Hebreo 12:10).

Tsy manadino antsika Andriamanitra, ary “mitsinjo antsika ny masony”. Izy no Ilay Mpampianatra mikatsaka izay hampahay antsika amin’ny alalan’ny Teniny, mba hitantanany antsika araka ny sitrapony, hahatrarantsika ny tanjona nokendreny. Aoka isika hamaky am-pitandremana ny Baiboly, ary hangataka aminy, toy ilay mpanao salamo, hoe : “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô ; ary tariho” (Salamo 27:11).