Alahady 28 Jolay 2019

Ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetrantsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. 1 Jaona 3:2

 

Ho eo anilanao aho, indray andro any

 

Tompo ô, ho eo anilanao aho, indray andro any,

Hahita Anao aho, eny, ny masoko no hahita,

Tsy amin’ny mason’ny finoana intsony, amin’izay,

Fa hahita Anao ao an-tanànan’Andriamanitra aho.

 

E ! Mba ho hitako eo anoloako anie io tanjona io,

Ry Tompo, rehefa sasatra aho !

Rehefa hozongozonin’ny fahoriana ny finoako !

Rehefa miondrika amin’ny tany ny masoko !

 

Tompo ô, indray andro any dia ho fifaliana sy fiadanana izao rehetra izao,

Ao anatin’ny famirapiratan’ny fahazavanao madio manganohano.

Ao an-tranonao, ho voaro mandrakizay aho,

Ary hahatakatra hoe toy inona moa ny nitiavanao ahy !

 

E ! Hizotra am-pinoana mankany an-danitra anie aho !

Arovy aho, ry Tompo, mba tsy hanadino

Fa tsy tokony hitaredretra eto ny foko,

Satria ny fitsaharako dia any ambony any, eo anilanao !

 

Ruth Demaurex