Alatsinainy 29 Jolay 2019

Izay mino ny Zanaka (ny Zanak’Andriamanitra) manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy. Jaona 3:36

Jesosy ... Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy. 1 Tesaloniana 1:10

 

Fampitandremana natao tsinontsinona ?

Rehefa misy horohorontany dia matetika ny fihetsehana voalohany no arahina fihetsehana iray hafa, izay mahery kokoa sy mampidi-doza kokoa, indraindray. Ka ny fitoniana eo anelanelan’ireo fihetsehana roa ireo dia fotoana ahafahana mitady toerana azo antoka kokoa, mba hanavotana ny aina. Ny tantara anefa dia ahafantarana olona nanao tsinontsinona ny fampitandremana voalohany, nefa nitohy naharitra ilay fotoam-piatoana.

Ankehitriny koa isika dia miaina karazana fiatoana. Mbola tsy hadino ilay ady lehibe faharoa, dia efa toa tandindomin-doza sahady ny hoavy. Hotakotaka, korontana, vono olona : ireny dia toy ny kotroka fambara andro ratsy. Mba mihaino ireny fampitandremana ireny ve isika ? Rehefa misy fanambarana loza mitranga, dia maro ireo olona milaza ireny ho anjara tsy mifidy izay hasiana, na ho kisendrasendra. Ny marina anefa dia hoe Andriamanitra no miteny amintsika, amin’ny fomba tena hentitra, amin’ny alalan’ireny famantarana mialoha ireny. Hisy fitsimbadihana mampivarahontsana hitranga eto an-tany. Lazain’Andriamanitra ao anaty Baiboly koa izany. Fa any amin’ny faran’io Boky io, alohan’ny filazalazana momba ireo fitsarana, dia taomin’ny Tompo Jesosy isika mba handray Azy : “Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna” (Apokalypsy 3:20). Izy dia mandondòna eo ambaravaran’ny fon’izay mbola tsy mino Azy, noho ny tsy firaharahana na noho ny fikomiana, ka manao tsinontsinona ireo fampitandremany. Jesosy dia te hitondra fiainana mandrakizay sy fiadanam-po ho azy. Ny olona rehetra no iriny mba ho voaro amin’ny fotoan-tsarotra mampivarahontsana ho avy. Satria mantsy “Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin’ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay maty hamonjy antsika” (1 Tesaloniana 5:9, 10). Ny tsirairay dia manana fahalalahana hamoha ny varavarana, hino ny fitiavan’i Jesosy, ary handray Azy ho Mpamonjiny.