Talata 30 Jolay 2019

Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao. Salamo 119:105

Tonga amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. Jaona 3:19

 

Fahazavana madio

Vao tsy ela ity mpivaro-boankazo iray no nahafantatra fa tena Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly. Namaky izany tao ambadiky ny entam-barony izy, teo am-piandrasana ny mpividy.

— Inona izato vakinao izato ? hoy ny mpividy iray.

— Ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, hoy izy, falifaly.

— Marina ve ? Fa iza no milaza aminao fa tena Tenin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly ?

— Andriamanitra mihitsy.

— Tena niteny manokana taminao angaha Izy ?

Somary sadaikatra kely aloha ilay mpivarotra ; nefa avy eo dia notondroiny ny tsena heniky ny masoandro tamin’io maraina io, ka nanontaniany ilay rangahy niresaka taminy hoe :

— Mba azonao porofoina ve, tompoko, fa misy ny masoandro ?

— Porofoina hoe ? Tsapako fotsiny ny hafanany ary hitako ny hazavany.

— Toy izany koa ny Baiboly, amiko. Manafana ny foko izy ary manazava ny fisainako. Izany no manaporofo amiko fa tena ilay Bokin’Andriamanitra tokoa izy.

 

Ny Teninao, Andriamanitra ô, dia mirakitra

Ilay harena sarobidy indrindra,

Satria asehon’ny Fanahinao anay ao

Jesosy, Ilay hany lalana mankany an-danitra.

 

Ny Teninao, fahazavana madio,

No manazava sy mitarika ny dianay rehetra

Mba hahazoanay manome voninahitra Anao,

Etỳ an-tany, ry Ray be fitia.