Alarobia 31 Jolay 2019

Toy ny tsy ahafantaranao ny amin’ny alehan’ny rivotra, na ny amin’ny fitombon’ny taolana ao an-kibon’izay manana anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan’Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra. Mpitoriteny 11:5

 

Sahia mamantatra ny Baiboly ! (5)

Ao amin’ny tantaran’ny fampitana ny Baiboly dia misy sombin-tantara kely vitsivitsy mahavariana. Ohatra, ho sarotra ny hilaza fa misy lafy tsarany ny tranomaizina. Kanefa dia i Tyndale, tany an-tranomaizina, no nanao fandikana voalohany ny Baiboly ho amin’ny teny anglisy, avy tamin’ireo fiteny nanoratana azy tany am-piandohana. Ny fijaliany dia nitondra fahasambarana ho ana Anglisy tsy hita isa.

Lemaistre de Sacy, izay nigadra noho ny finoany, dia afaka nanatanteraka ny fandikana ny Testamenta Taloha tany an-tranomaizina, ary nafahana navoaka tao am-ponja ny ampitson’ny nahavitany izany !

Hatramin’ny taonjato faha-15 dia niely ny Baiboly, na dia tsy nisy afa-tsy soratanana aza ny nandikana azy. Tamin’ny Vanimpotoana Antenantenany dia voarara ny Baiboly, noraofina, nodorana, nohidina… Na izany aza anefa, dia nisy mpivavaka mpitoka-monina nandinika sy nandika azy. Tamin’ny taona 1456 no nivoaka ny boky voalohany vita printy : Baiboly io ! Gutenberg no nanonta azy, rehefa niasa nandritra ny enin-taona ho amin’izany, ka ny efa-taona tamin’izany dia nanomanany ny tarehintsoratra natambatambatra ho teny. Tatỳ aoriana, tany amina monastera iray tany Sinay, dia nahitan’i Tischendorf taratasy soratanana nanjary nalaza.

Hoy i Voltaire momba ny Baiboly : « Afaka 100 taona izy io dia ho lany andro toy ny alimanaka ». 200 taona tatỳ aoriana anefa dia nanjary ... trano fanontana Baiboly ny tranony tao Ferney !

Voarara nandritra ny fotoana ela dia ela ny Baiboly, fa nisy fotoana kosa tsy maintsy nanana ny boky menan’i Mao Tsé-Toung ny Sinoa isambatan’olona. Io boky kely io anefa, izay boky faharoa niely indrindra manarakaraka ny Baiboly, dia tsy ampy iray lavitrisa akory ny natonta. Ankehitriny kosa dia efa mihoatra ny enina lavitrisa ny fitambaran’ny Baiboly feno napariaka.