Alakamisy 1 Aogositra 2019

Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra. Romana 5:12

Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23

 

Vono olona sy lainga, fahamarinana sy fiainana

Napetrak’Andriamanitra tao anaty saha mahafinaritra i Adama sy Eva. Navelany hihinana amin’ny voan’ny hazo rehetra izy ireo, afa-tsy ny an’ny anankiray monja. Ary nampitandrina Andriamanitra fa ho faty izy ireo (Genesisy 2:17), raha mihinana amin’izany. Avy eo dia nampiditra fisalasalana i Satana : “Tsy ho faty tsy akory ianareo ; ... ho tahaka an’Andriamanitra ianareo” (Genesisy 3:4, 5). Nihinana tamin’ny voan’ilay hazo voarara i Adama sy Eva… Iza no nilaza ny marina ? Izay hitranga atỳ aoriana no hampiseho izany amintsika.

Niteraka zanaka roa lahy i Eva, dia i Kaina sy Abela. Indray andro, tany an-tsaha i Kaina dia namely an’i Abela rahalahiny, noho ny fialonana, ka nahafaty azy. Nanontanian’Andriamanitra i Kaina hoe aiza i Abela. Novaliany hoe tsy fantany. Tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny ota sy ny fahafatesana. Nambaran’ny Genesisy, tatỳ aoriana, fa maty ihany koa i Adama (Genesisy 5:5). Manaraka izany dia voaboasin’ny Genesisy ny tantaran’ny taranak’i Adama. Voasoratra miverimberina ao ny hoe : Ary ny andro rehetra niainan’i … ; “dia maty izy”.

Andriamanitra izany no nilaza ny marina, fa i Satana nandainga.

Ankehitriny izao tontolo izao dia mbola mitondra ny toetran’ilay lehibe nofidiny, dia i Satana, izay mpamono olona sady mpandainga (Jaona 8:44). Ny fihainoana ny vaovao fotsiny dia ampy ahitana fa mbola voagejan’ny famonoana olona sy ny lainga izao tontolo ankehitriny izao. Koa tsy misy intsony afa-tsy famoizam-po ve izany ?

Tsia, henoy izao : “Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” (Jaona 11:25). Jesosy no milaza izany. Izy no “làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).

Eny, omen’i Jesosy fiainana mandrakizay izay rehetra mitoky aminy. Izany no hafatra entin’ny Filazantsara, nosoratana ho an’ny olona rehetra.