Zoma 2 Aogositra 2019

Izaho efa nianatra tsy hierina, na manao ahoana na manao ahoana. Filipiana 4:11

Anaro ny mpanankarena ... mba tsy ... hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra, mba hifaliantsika. 1 Timoty 6:17

 

Afa-po ve ianao ?

John D. Rockefeller no olona nanankarena indrindra teto an-tany, tamin’ny fotoanandro niainany. Tena goavana ny harenany ; azo lazaina fa tsy nisy fetra ny fomba nahazoany fananana. Tamina resaka nifanaovana taminy, dia nisy nanontany azy hoe : “Vola ohatrinona no ilaina, mba ho ampy ?”

Somary naneso izy, namaly hoe: “Miampy kely fotsiny !”

Niaiky izy fa ao anaty fon’ny zanak’olombelona dia misy faniriana hanana bebe kokoa hatrany.

Misy tokoa mantsy fironana telo latsa-paka ao anatintsika ao :

— ny faniriana hanana, mahatonga antsika hitsiriritra tsy ankijanona ny zavatra mahafinaritra antsika ;

— ny fialonana, manosika antsika hampitaha ny tenantsika amin’ny hafa, sy haniry hanana izay ananan’io olona io ;

— ny fitiavan-tena, mitarika antsika handà tsy hizara ny ananantsika amin’ireo manana kely kokoa noho isika.

Rehefa miasa ireo fironana ratsy ireo, dia manjary andriamanitra manapaka ny fiainantsika ny vola. Ny olona tsy manana an’Andriamanitra dia tsy mba mety ho afa-po, ka ny hany tadiaviny, raha ny marina, dia ny hanana bebe kokoa hatrany sy ny hanararaotra faran’izay azo atao amin’ny fiainana eto an-tany. Fa ny mpino maniry hiaina ho an’ny Tompo kosa dia tokony hahatsiaro fa Azy Tompo ny zavatra rehetra, na dia ny volan’izy ireo any amin’ny banky aza ! Hanontany antsika Izy, indray andro any, raha mpitantana nahatoky isika tamin’izay rehetra nankininy tamintsika (Lioka 19:15).

Tany an-tranomaizina ny apostoly Paoly no nanoratra hoe : “Izaho efa nianatra tsy hierina, na manao ahoana na manao ahoana” (vakio Filipiana 4:11-13). Aiza ho aiza isika amin’izany lafin-javatra izany ?