Asabotsy 3 Aogositra 2019

Tsy nisy nanery. Estera 1:8

Samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra. Mpitsara 21:25

Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah. Malakia 3:7

 

Tontolo tsy misy an’Andriamanitra

“Estera” dia anarana boky fohy anankiray ao amin’ny Baiboly, misy toko vitsivitsy. Mampiavaka io boky io ny tsy filazana mihitsy ny anaran’Andriamanitra ao aminy. Hafahafa izany, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Ao amin’io boky io koa no hany ahitana ny vahoakan’Andriamanitra, izay nofaiziny, lasa babo any an-tany hafa ary tsy lazaina hoe hiverina any amin’ny taniny. Mampanontany tena antsika anefa izany fiavahany izany : io boky io ve tsy maneho kisarisarin’izao tontolo ankehitriny izao, izay manilika tanteraka Ilay Andriamanitra Mpahary sy Mpamonjy ? Dia mitohy eny ny fiainana, tsy misy olona miraharaha izay heverin’Andriamanitra. Avy any ambony any anefa Izy dia mahafehy ny zavatra rehetra.

Eto amin’ity tontolo ity dia mihevitra ny olona fa tompon’ny hoaviny. Ela ny ela, hono, ka “afaka” tamin’ny fifehezan’Andriamanitra ny olombelona. Mihambo ho tsara ny olona, marina fa afaka manao ny faran’izay ratsy, nefa indrindra koa, ny faran’izay tsara. Toa manaporofo izany ny fivoarana tsy azo lavina, ara-piarahamonina. Any amin’ny firenena maro, ohatra, dia “tsy misy manery” an’iza na iza, fa samy manao izay mahafinaritra azy ny tsirairay, ary afaka misafidy amina karazam-pahafinaretana maro. Izany fahafahana sandoka izany, izay matetika miaraka amina fahafinaretana sandoka, dia heverina ho afaka manafina ireo toejavatra ratsy manjo izao tontolo izao, ary maha tompon’andraikitra tanteraka ny olombelona !

Tokony ho fampitandremana ho antsika ny bokin’i Estera : taorianan’ny lanonana lehibe iray dia tsy maintsy niatrika fikasana hamono azy ny mpanjaka resahina ao. Tsy ho tsara kokoa noho izany ny hanjo ity tontolo ankehitriny ity. Fitsarana, indray andro any, no handimby izao sarintsarim-pahasambarana izao. Mizotra dia mizotra mankany amin’ny fahaverezana izao tontolo izao. Fa ny tsirairay kosa dia afaka misafidy fiainana miaraka amin’Andriamanitra, afaka manapa-kevitra hijanona mba hihaino Azy, sy mba handray an’i Jesosy, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao.