Alahady 4 Aogositra 2019

Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. 1 Petera 3:18

 

Mila Mpamonjy

Raha mianjera any anaty rano aho, kanefa tsy mahay milomano, dia tsy torohevitra mahasoa no ilaiko, na fampianarana milomano ; fa olona hamonjy ahy ka hisintona ahy hiala tao anaty rano.

Raha manana trosa miavosa tsy voaloako aho, dia mila olona hanafaka ahy amin’ny tompon-trosa sy ny vadintany, mila olona manaiky hanefa ny trosako.

Amin’izao toetrako izao dia mpanota aho, meloka eo imason’Andriamanitra. Ka ny zavatra ilaiko dia tsy lesona momba ny fitsipi-pitondrantena, fa Mpamonjy mandray ny zava-dratsy vitako ho toy ny Azy, ary mizaka ny famaizana izany manoloana ny fitsaran’Andriamanitra.

Toy ny vola vy misy lafiny roa tsy hay sarahina, dia toy izany koa Andriamanitra : sady fitiavana no fahazavana, ary tsy hay sarahina ireo. Fitiavana Izy, mitady antsika mba hataony zanany. Fahazavana Izy, tsy mahazaka ny fanatrehana mpanota mbola mivesatra ny fahadisoany. Ny fahamarinany dia mitaky ny hanamelohana antsika, satria samy tsy maintsy faizina, na ny asa ratsy na ny teny ratsy. Marina Andriamanitra raha manafay ny mpanota, kanefa te hanamarina ny mpanota mikomy Izy. Ahoana no ahafahany manao izany ?

Niara-niseho teo amin’ny hazofijaliana ny zavatra takian’ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny habetsaky ny fitiavany. Tsy maintsy nofaizina ny ratsy ; tanteraka izany rehefa nanolo-tena ho faty hisolo antsika teo amin’ny hazofijaliana Ilay Zanak’Andriamanitra. Izy no avotra ho antsika, niaritra ny sazy sahaza ny fahadisoantsika : izany no fahamarinan’Andriamanitra, ary koa fitiavany antsika. “Hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy (ireo rehetra mino), noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 3:24).