Alatsinainy 5 Aogositra 2019

Kanefa misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany, dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana, dia manokatra ny sofin’ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy. Joba 33:14-16

 

Nofy mampivarahontsana

Tamin’ny fotoanandron’ny patriarka Joba, dia matetika Andriamanitra no niteny tamin’ny olona tamin’ny alalan’ny nofy. Amin’izao androntsika izao kosa dia efa miely hatraiza hatraiza ny Baiboly, ary Andriamanitra dia mampahafantatra ny tenany amin’izay nosoratany ao sy asainy nambara. Ireo tenin’Andriamanitra ireo dia manazava ny ao anatintsika manontolo. Izay mamaky izany dia mahita ao ny fitiavan’Andriamanitra sy ny drafi-pamonjeny ho an’ny olona.

Fa Andriamanitra dia miteny amin’ny fomba maro samihafa ihany koa. Afaka manao izany Izy, amin’ny alalan’ny nofy, ohatra. Izany no nitranga tamin’i Jack, namana iray nandevozin’ny fisotro mahamamo sy ny ota, tamin’izany fotoana izany.

Tany an-tranomaizina izy, fony 59 taona, dia nanonofy zavatra mampivarahontsana. Nohodidinina zava-manana aina maro nitrerona sy nikiakiaka izy, ary niaraka tamin’olona maro hafa nidina teo amina fidinana malama iray. Raiki-tahotra mafy izy, ary nanontany hoe : « Fa aiza izao isika izao ? » ; « Tsy fantatrao ve ? hoy ny navaly azy : dimy metatra sisa dia ho tonga ao amin’ny helo isika. »

Nangorohoro mafy i Jack, ka niantsoantso tao anatin’ny nofiny hoe : « Tompo ô, vonjeo aho ! »

Dia tsapany fa nosintonina niala teo anivon’ireo olona maro ireo izy, ary indro teo am-pandrianany, nangovitra mafy. Ny ampitso maraina dia nanontany azy ny gadra mpiray efitra taminy, hoe : « Fa inona no nahazo an’ialahy ? Nikiakiaka mafy toy ny adala ialahy ! »

Dia notantarainy azy ireo ny nofiny, sy izay nahazo azy, avy eo : hitany ny Mpamonjiny, dia Jesosy Kristy. Naneso azy izy ireo, satria nihevitra fa tsy ho ela izy dia hiverina ho toy ny taloha. Saingy tena niova tanteraka izy, nandritra ny androm-piainany sisa rehetra, hany ka nantsoin’izy ireo hoe Jack ilay sambatra.