Talata 6 Aogositra 2019

Raha hoy isika : Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra. 1 Jaona 1:8-9

 

Voambolana efa madiva hanjavona

Izao no nosoratan’i Karl Menninger, mpitsabo aretin-tsaina, ao amin’ny iray amin’ny bokiny : « Fahiny ny voambolana hoe ‘ota’ dia nisy heviny mavesa-danja. Teny mahery, mandrahona, sady mahatahotra… Saingy saika efa tsy hita intsony izy io, mbamin’ny hevitra fonosiny. Nahoana moa ? Satria ve tsy misy olona manota intsony ? »

Mahakasika antsika rehetra izany fanontaniana izany, na mpino isika na tsy mpino.

— Ny hoe mino an’i Jesosy, mba ho voavonjy, dia ny miaiky ny fahotako aloha, ary mandray ny fahazoana antoka fa “Kristy maty noho ny fahotantsika” (1 Korintiana 15:3). Ka tsy manota intsony ve izany aho ?

Rehefa mitoetra eo anilan’Andriamanitra isika, dia hahatsapa fa manota. Raha miezaka hiaina ao anatin’ny fahazavan’Andriamanitra isika, ny Teniny dia ho afaka hampiharihary ny lolompo, fialonana miafina, na koa avonavona ao anatintsika...

Tsy mandao antsika anefa Andriamanitra. Miasa ao anatintsika Izy, manokatra ny masontsika hahita ireo fahadisoana leferintsika eo amin’ny fiainantsika. Tiany hiaiky ireny aminy isika, ary tiany hiala amin’ireny, mba hanovany antsika eo amin’izay tokony hanaovany izany, sy mba hahatonga antsika hanahaka bebe kokoa hatrany ilay ohatra arahintsika, dia Jesosy Kristy.

— Ary raha tsy mino an’i Jesosy ianao ? Tsy miampanga anao Izy (na izahay), nefa te hamonjy anao koa. Raha tsapanao fa mila Azy ianao, dia lazao aminy izay rehetra maizimaizina ao amin’ny fiainanao, izay rehetra manery anao angamba, satria Izy irery ihany no afaka mamafa ny fahotantsika.