Alarobia 7 Aogositra 2019

Tsy misy tsiny ny lalànan’i Jehovah... Marina ny fitsipik’i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. Salamo 19:7, 9

Mampandeha ny didiny ho amin’ny tany Izy ; miely faingana dia faingana ny teniny. Salamo 147:15

 

Sahia mamantatra ny Baiboly ! (6)

Ahoana no hamintinana, amin’ny teny vitsivitsy, io boky sarobidy loatra io ? Mpino marobe no efa maty, ary marobe ny mbola vonona ny ho faty, ho azy io ! Indreto ny hevi-dehibe ao anatiny :

— Ireo bokin’i Mosesy : Andriamanitra dia nahary ny olona ho lavorary, ho afaka, ho sambatra ary ho tompon’andraikitra. Saingy nanararaotra izany fahafahany izany ny olona, ka nisafidy ny tsy hankatò an’Andriamanitra.

— Ny eo amin’i Josoa ka hatrany amin’i Estera dia tantara maro maneho an-tsary mialoha ny ady ara-toe-panahy atrehin’ny mpino ankehitriny, sy ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra, hanasoa azy.

— Ny eo amin’i Joba ka hatrany amin’ny Tononkiran’i Solomona, dia fitambaran’ireo fisaintsainana momba ny fiainana, ny valiny omen’Andriamanitra, ny fitsipika ho an’ny fiainana andavanandro, ary ny fihetsehampo manoloana ny trangan-javatra samihafa eo amin’ny fiainana (fifaliana, alahelo, fitiavana, hakiviana, fanantenana azo indray, fanafahana anaty…).

— Ireo bokin’ny mpaminany dia maneho ny atao hoe andraikitry ny olona, sy ny maha fadiranovana azy, lavitra an’Andriamanitra ; ary manambara ny fahasoavana, te hanala azy avy amin’izany.

— Ireo filazantsara dia mitantara ny fiainan’i Jesosy Kristy, ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana sy ny nitsanganany tamin’ny maty.

— Ny Asan’ny Apostoly dia manoritsoritra ny tantaran’ny Eglizy, na Fiangonana, izay voarafitr’ireo olona rehetra mino an’i Jesosy Kristy.

— Ny Epistily dia manolotra foto-pampianarana sy fanao hitondrana ny fiainan’ny mpino sy ny fiainan’ny Fiangonana.

— Ny Apokalypsy dia mamelabelatra ny momba ny fitsarana ho avy, mampivarahontsana ireo tsy mpino (fijaliana mandrakizay), fa mampahery kosa ireo izay mitoky amin’i Jesosy (fahasambarana mandrakizay).