Alakamisy 8 Aogositra 2019

Ianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, ary asan’ny tànanao ny lanitra ; ireo dia ho levona, fa Ianao no maharitra... Fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra. Hebreo 1:10, 11, 12

 

Apollo 15

Rehefa mitantara ny niantsonan’ny sambondanitra Apollo 15 teny amin’ny volana (tamin’ny taona 1971) i James Irwin, iray tamin’ireo mpanamory azy, dia zatra nanampy hoe : « Ny nandiavan’i Jesosy Kristy ny tany dia zava-dehibe lavitra noho ny nandiavan’ny olombelona ny volana ». Noderain’ny olona maro tamin’izany vanimpotoana izany ho faratampon’ny fahaizana ara-teknika ny nandiavan’ny olona ny volana. Fa ny iray tamin’ireo mpandray anjara fototra tamin’io tranga io kosa, dia tsy nanao izany ho nanan-danja kokoa noho ny nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra tetỳ an-tany. Mampiorina tokoa mantsy ny misaintsaina ny niavian’ireo tranga roa ireo sy ny vokany : mifanohitra tanteraka izy ireo, amin’izany !

Andaniny, rariny ny olombelona raha mangetaheta mafy ny hahafantatra ny tontolo manodidina azy, ary izany dia ampiany fikendry avo, tsy mety ho afa-po, hisandratra ho ambonin’ny zava-drehetra.

Ankilany, Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nietry hatramin’ny nandriany tanaty fihinanam-bilona —tranga tsy nisy nahita, afa-tsy mpiandry ondry vitsivitsy. Naka vatana mitovy amin’ny antsika Izy, nankatò tanteraka tamin’ny nanompoany an’Andriamanitra, ka ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana no fanehoana faratampony io fankatoavany io (Filipiana 2:6-8).

Ary inona no vokatr’ireo tranga roa ireo ? Tsy dia nanova inona tamiko na taminao ny nandiavan’ny olombelona ny volana. Fa ny nahatongavan’i Kristy tetỳ an-tany kosa, ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, ary ny nitsanganany tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, izany no nanova ho mandrakizay ny anjaran’olona tsy tambo hisaina, dia ireo rehetra mino Azy. Ary tsy ho ela Izy Kristy dia haneho hery tsy misy toy izany, hitondrany ireo mpino ireo ho any an-danitra, izay fonenany.