Zoma 9 Aogositra 2019

Olona va no ilàko fitia, sa Andriamanitra ? Sa mila sitraka amin’olona aho ? Raha mbola mila sitraka amin’olona aho, dia tsy mpanompon’i Kristy. Galatiana 1:10

 

Ahoana hoy Andriamanitra ?

Izay holazain’ny olona ! ... matetika loatra izany no mampiasa saina antsika. Tena mampanahy mafy antsika ny mety hoheverin’ny hafa momba antsika. Marina fa tokony hitandrina, mba tsy hampalahelo na hanafintohina ny hafa ; saingy tsy izany no laharam-pamehana. Ny zava-dehibe voalohany dia izay heverin’Andriamanitra, momba ny ataontsika sy ny antony manosika antsika hanao izany. Voarin’Andriamanitra ny olona tsirairay, ka tompon’andraikitra eo anatrehany ny amin’ny fitondrantenany manontolo. Koa tokony hanontany tena isika hoe : « Ahoana hoy Andriamanitra ? », fa tsy hieritreritra hoe : « Ahoana hoy ny olona ? »

Ry mpamaky namana, hevero izany, ianao izay mety mbola tsy nanana fijery toy izany, hatrizay. Ho avy ny andro hijeren’Andriamanitra izay rehetra nataontsika, izay rehetra tsy manan-danja eo anatrehany, ary izay rehetra mety nataontsika hanoherana Azy aza, angamba. Sitrak’Andriamanitra ve ny zavatra ataoko ? Izany no fanontaniana lehibe indrindra !

Hentitra ny Baiboly : “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy” (Hebreo 11:6). Ny hoe mino, voalohany indrindra, dia manaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjin’ny tena. Izany dia mahatonga hiaiky fa mpanota, sady hino fa efa noefain’ny Zanak’Andriamanitra ny saran’ny famelana ny helotsika, tamin’ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Manaraka izany, ny hoe finoana, ho an’ny kristiana, dia midika hoe mino izay rehetra voasoratra ao amin’ny Baiboly, ary mampifanaraka ny fiainany amin’izany.

Aoka isika hihevitra izay tena zava-dehibe. Alohan’ny zava-drehetra, dia aoka handray ny famonjena atolotr’Andriamanitra, mba hahafaly Azy. Ary aoka isika mpino hiezaka handeha “mendrika ny Tompo, [hanao] ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra” (Kolosiana 1:10).