Asabotsy 10 Aogositra 2019

(Hoy Jesosy :)Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. Jaona 15:26

 

Efa tonga tokoa izy. Ity ny porofo...

Handeha hiverina any aminy i Paoly, dadatoan’i Lanto, ary lavitra dia lavitra ny fonenany. Rehefa handao an’i Lanto izy dia nampanantena hoe : « Misy fanomezana ho anao any amiko ; ka raha vao tonga aho, dia alefako ilay izy ». Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia tonga ilay fanomezana. Taorianan’izany dia nisy tao amin’ny fianakaviana nanontany hoe : « Mba nahazoana vaovao ve i Paoly izay e ? » Namaly avy hatrany i Lanto hoe : « Efa tonga any aminy tokoa izy ka ! Ity ny porofo… », sady nasehony ny fanomezana azony.

Izany tantara kely izany dia manazava tsara izao toejavatra izao : Talohan’ny handaozany ny mpianany, Jesosy dia nampanantena azy ireo fa haniraka ny Fanahy Masina avy any an-danitra, “avy [any] amin’ny Ray”. Notanterahiny tokoa ve izany fampanantenany izany ? Eny ! Naidina teo amin’ny fitambaran’ireo mpino rehetra ny Fanahy Masina, tamin’ny andro Pentekosta, ary niharihary tamin’ny olona rehetra ny vokatry ny fanatrehany (vakio Asan’ny Apostoly 2).

Ankehitriny dia mbola eto an-tany hatrany ny Fanahy Masina. Tsy hita maso Izy, nefa kosa monina ao anatin’ny olona tsirairay izay mino (Efesiana 1:13 ; 1 Korintiana 6:19). Tena misy marina tokoa ny vokatry ny fanatrehany :

— Izy no “miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika” (Romana 8:16).

— Hita maso eo amin’ireo kristiana ny vokany, dia “fitiavana, fifaliana, fiadanana…” (Galatiana 5:22).

— Ny kristiana dia “epistilin’i Kristy … nosoratana ... tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona” (2 Korintiana 3:3).

Satria eto an-tany ny Fanahy Masina, dia any an-danitra tokoa izany Jesosy, nitsangana tamin’ny maty ary eo anilan’ny Ray. Ary izany no porofo fa efa voalamina ho mandrakizay ny resaka momba ireo fahotana, izay nentiny teo amin’ny hazofijaliana.

Ny asa notanterahin’i Jesosy izany dia lavorary, ka afaka miaina am-piadanana ny mpino.