Alahady 11 Aogositra 2019

Aleoko mipetraka eo amin’ny tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain’ny ratsy fanahy. Salamo 84:10

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako. Salamo 27:4

 

Sarobidy kokoa noho ny medaly volamena

Mifandraika amin’ny andinin-tSoratra Masina nomena androany, dia hoy i Spurgeon, ilay evanjelista anglisy : “Na ao anaty toejavatra faran’izay tsara aza, ny fahafinaretan’ny tany dia tsy azo oharina amin’ny ampaharivon’ny hamamin’ny fanompoana an’Andriamanitra”.

Nampiseho ny fahamarinan’izany teny izany ilay mpanao fanatanjahantena ekosey antsoina hoe Eric Liddel (1902-1945). Sady mpanao fanatanjahantena kalazalahy izy, no kristiana resy lahatra. Tamin’ny lalao olympika tamin’ny taona 1924 tany Paris, dia izy no noheverina fa mahery indrindra tamin’ny hazakazaka 100 metatra. Nandà tsy handray anjara anefa izy, satria andro alahady no nanaovana izany : ny laharam-pahamehana taminy dia ny miaraka amina mpino, mba hidera an’Andriamanitra. Taoriana kelin’izany dia nahazo ny medaly volamena tamin’ny fifaninanana hazakazaka 400 metatra izy. Ary na dia teo antampon’ny voninahitra ara-panatanjahantena aza izy, dia nisafidy ny hamoy ny laza sy tombontsoa atolotry ny fanatanjahantena azy. Nankany Sina ho misionera izy. Vetivety ihany ny asany tany, kanefa ho voninahitr’Andriamanitra. Voasambotry ny Japoney izy, ka voafetra ho ao anatina toby iray ny asany ; tao izy dia nanohy nampianatra ny Tenin’Andriamanitra, nampahery ireo voafonja, ary nandrindra fianarana sy fanatanjahantena ho an’ireo zandrinjandriny. Hoy ny iray niara-voafonja taminy : « Nampianatra ahy hitia ny fahavaloko sy hivavaka ho azy ireny i Eric ». Narary mafy i Eric Liddell, ary mbola tany am-pigadrana, no noraisin’ny Mpamonjiny ho any an-danitra, tamin’ny taona 1945.

Tsy voantso toy izany avokoa tsy akory ny mpino rehetra. Fa izy rehetra kosa dia afaka miaina eo anilan’Andriamanitra, mikolokolo fifandraisana akaiky aminy, ary manompo Azy. Dia ho vonona ny hampiasain’Andriamanitra koa izy ireo, any amin’izay rehetra andefasany azy, hanatanteraka misiona manokana.