Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao. Hebreo 11:3

 

Andriamanitra Mpahary sy Mpamonjy

« Izaho dia nobeazina tao anaty fianakaviana mandà ny fisian’Andriamanitra sady mitolona mba hampanjaka izany foto-kevitra izany. Nampianarina ahy fa ny finoana ara-pivavahana dia tsy vitan’ny hoe tsy ilaina, fa ratsy koa. Toy ny raiko, izay mpahay momba ny fizika sy ny simia, dia nolaviko avokoa izay rehetra mety hifandraika amin’ny ara-panahy. Ary tatỳ aoriana aho dia nanjary mpahay momba ny simian’ny zavamanana aina. Kristiana aho ankehitriny, ary mahatsapa lalina ato anatiko ny fahasoavan’Andriamanitra. Mitolagaga tsy tapaka aho, manoloana ny herim-panavotan’ny Tompo…

Lalana toy inona moa no nitondra ahy avy tamin’ny fahatanorako nikiribiby handà ny fisian’Andriamanitra, ho amin’ny finoana kristiana iainako ankehitriny ? Tsotra ny valiny : niantso ahy Andriamanitra, tamin’ny fomba manitrikitrika sy mazava, na dia am-polontaonany aza aho vao nanaiky hihaino Azy. Tsaroako ny antso voalohany, tena naneno mafy, fony aho mbola tovolahy, nijery ilay horonantsary hoe “Ny Filazantsara araka an’i Matio”. Avy eo aho dia namaky ireo filazantsara, ary nanomboka nankany amina fiangonana iray. Nahaliana tokoa izany rehetra izany, tamin’ny lafiny ara-tsaina, saingy tsy nisy nifandraisany tamin’ny finoana. Mpijery fotsiny aho, mpijery vonona hankasitraka, mpijery etỳ ivelany, mijery ny ao anatiny. Farany aho dia nandray mivantana ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra, avy amin’i Kristy, tamina fomba tsy azo iadian-kevitra. » (araka an’i Sy Garte)

Tsy misy olona teraka “kristiana”, fa Andriamanitra no miantso antsika rehetra hino Azy, mba handraisantsika ny fahasoavany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Na zanaka ray aman-dreny mpino aza, dia mila mamaly izany antso izany, toy ny nataon’io olona nijoro ho vavolombelona io.