Talata 13 Aogositra 2019

Ary hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy : IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy : Izao no holazainao amin’ny Zanak’Israely : IZAHO IZAY IZY no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo. Eksodosy 3:14

Hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminareo marina tokoa : Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho. Jaona 8:58

 

Fahadisoana fitsipi-pitenenana hoe ?

Mahagaga io andinin-tSoratra Masina voalohany anjarantsika androany io. Raha araka ny fitsipika, ny tokony holazaina dia hoe : “Izaho no Izy”. Izany rahateo no fandikana nataon’ny sasany amin’ny mpandika Baiboly, avy tamin’ny teny fototra. Nefa maro ny nitana ny hevitra ao amin’ny teny hebreo, na dia ohatra ny misy fahadisoana ara-pitsipika aza izany. Andriamanitra dia maneho ny tenany ho Ilay antsoina hoe “Izaho Izay Izy”, izany hoe Ilay Andriamanitra tsy voahidy ao anatin’ny fotoana. Tsy takatry ny saintsika olona noarìna izany, ary very lalana ao amin’izany ny fisainan’olombelona. Andriamanitra anefa tsy te hitoetra ho tsy hay hatonina ; ary mampiseho izany amintsika ny tohin’ilay andininy, hoe : “IZAHO IZAY IZY no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo”. Izany no tsy maintsy hambaran’i Mosesy, izay hasaina hampita ny lalànan’Andriamanitra amin’ny vahoakany, any aoriana.

Saingy tsy nahavita nitandrina izany lalàna izany ny olona ; koa dia naniraka mpanelanelana iray hafa indray Andriamanitra : “Fa ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy” (Jaona 1:17). Rehefa naneho ny tenany Jesosy, dia tsy niteny hoe : “Fony tsy mbola ary Abrahama, dia efa nisy Aho”, fa nampiasa ny filazam-potoana ankehitriny hoe : “dia Izy Aho”. Izany fitovian’ny fomba fiteny izany dia manintona ny saintsika amin’ny maha Andriamanitra an’i Jesosy, Andriamanitra Zanaka, Andriamanitra “naseho teo amin’ny nofo” (1 Timoty 3:16), mba hamonjy ny voariny.

Andriamanitra toy izany no nanaiky haneho ny tenany tamin’ny voariny. Izy “Izay ambonin’izy rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay” (Romana 9:5) dia niaina tetỳ an-tany toy ny olombelona, mba ho azo hatonina. Izany ve tsy sady mahagaga no tsy takatry ny saina ? Ny mpino anefa dia mandray izany am-pahasambarana ary mitsaoka io Andriamanitra lehibe io, Izay nampahafantatra azy ny fitiavany.