Alarobia 14 Aogositra 2019

Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao... Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. Romana 10:8, 9

 

Sahia mamantatra ny Baiboly ! (7)

Ny fitambaran’ny lahatsoratra ao amin’ny Baiboly dia hafatra tena marina, miezinezina sady mampitolagaga, ary tsapa isaky ny takila ny fahalehibeazany. Nefa tsy ampy ny manaiky ny lanjany ekena maneran-tany. Tsy maintsy miaiky aho fa voakasika manokana. Izany hafatra izany, izay sady tsy misy mandambolambo no tsy misy manjavozavo, dia tsy mamela antsika tsy ho afa-po na hamoy fo : ny olona dia tompon’andraikitra, ary very lavitra an’Andriamanitra. Na ho ela na ho haingana izy dia tsy maintsy hampamoahina momba ny aina noraisiny tamin’Andriamanitra. Izany no maha zava-doza ny toerana misy azy. Nefa Andriamanitra, Izay tsy refesi-mandidy (tsy misy na iza na iza afaka hanadina Azy), dia tia ny voariny ary te hahasambatra azy. Izao tokoa mantsy :

— Lehibe aoka izany Andriamanitra, ka tsy afaka hiandry na inona na inona amin’ny olona ; ny olona kosa bitika dia bitika, ka tsy afaka hahatakatra an’Andriamanitra amin’ny ezaka manokana ataony.

— Andriamanitra dia masina, tsy mahazaka ny ratsy, na dia ny faran’izay kely aza ; ny olona anefa mifamatotra amin’ny ratsy, ka tsy afaka manao na inona na inona mba hamonjeny ny tenany. Noho izany dia Andriamanitra no manao ny zavatra rehetra, mba hamonjeny ny olona very. Nataony sorona mihitsy aza ny Zanany. Ny hoe mamonjy ny olona dia midika hoe mampihavana azy amin’Izy tenany, tsy ho amin’ny hoavy ihany (aorianan’ny fahafatesana), fa dieny ankehitriny, mba hahafahan’ny olona mahafantatra ny tena dikan’ny fiainany sy miaina izany miaraka amin’ny herin’Andriamanitra. Ka tokony hanapa-kevitra izany ny olona tsirairay :

— na hilavo lefona eo anatrehan’Andriamanitra, hino ny fomba natolony mba hateraka indray, hahafantatra amin’izay ny anjarany, ka hanana fiainana mendrika iainana manomboka izao ;

— na tsy hino, na hino “tapany”, na hanao mody mino, ka mijanona ho very, tsy manana fahazoana antoka sy tsy manana fiadanana.