Alakamisy 15 Aogositra 2019

Efa nomen’Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana, hahazoany fiainana. Asan’ny Apostoly 11:18

Ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka. Romana 2:4

Nanomboka nitoriteny Jesosy ka nanao hoe : Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Matio 4:17

 

Ny fibebahana

Amin’izao fotoana izao, ny voambolana hoe ‘fibebahana’ dia ambaran’ny rakibolana hoe lany andro, efa tranainy. Izay lazainy kosa anefa dia mbola tena zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika. Ny teny fototra dia azo adika hoe ‘fiovam-pisainana’. Ny hoe mibebaka dia miova fijery tanteraka, momba ny fiainan’ny tena ; mahita ny zavatra araka ny fahitan’Andriamanitra azy ireny. Teo aloha aho dia nihevitra fa nanao ny tsara raha nanao zavatra toy izao na toy izao, na nisafidy izatsy na izaroa. Fa ankehitriny kosa dia tsapako fa nifanohitra tamin’ny sitrapon’Andriamanitra ireny safidiko sy zavatra nataoko ireny.

Ny fibebahana dia tsy hoe miova fisainana fotsiny ihany. Marina fa miala amin’ny lasako aho rehefa mibebaka, kanefa koa voatarika hitodika tsy am-pisalasalana amin’Andriamanitra, mba hihaino Azy —Izy irery— sy hitoky amin’ny Teniny. Anisan’ireo tenin’i Jesosy voalohany tamin’ny vahoaka ny hoe : “Mibebaha ianareo”.

Ahoana no fomba hibebahana ? Ahoana no hahitana ny fiainantsika toy ny fahitan’Andriamanitra azy ? Isika dia voary voafetra ihany, ary ny fijerintsika dia tsy ho tahaka ny fijerin’Andriamanitra na oviana na oviana. Na izany aza anefa, raha mihaino ny Teniny isika, dia hahita ny maha isika antsika, mbamin’ireo fahadisoantsika. Nefa ho hitantsika ihany koa ny haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika sy ny haben’ny fikarakarany antsika.

Mety hampangirifiry ny miaina ny fibebahana. Tonga saina aho fa nanimba fifandraisana maro, nanao ratsy tamin’ireo olona manodidina ahy, ary nanala baraka an’Andriamanitra. Nefa ny fibebahana dia mitondra ahy koa ho amin’ny famelan’Andriamanitra ny heloka sy ny fampiononany, ho amin’ny fifaliana satria misy fanantenana vaovao. Ny fibebahana dia hiteraka fiovam-pitondrantena hahatonga ahy ho sambatra miaina ao amin’ny fahazavan’Andriamanitra.