Zoma 16 Aogositra 2019

Tsy nisakana ny foko tamin’izay mety ho fifaliana aho... Zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ny masoandro. Mpitoriteny 2:10, 11

(Hoy Jesosy :) Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray ; fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay. Jaona 4:13, 14

 

Tsy tiako ny miaina

« Efa niainako avokoa ny zavatra rehetra. Tsy misy olona firy afaka miteny toy izany, ary ankehitriny dia tsy mampaninona raha maty amin’izay aho. Efa niainako avokoa ny zavatra rehetra, tsy tiako ny fiainana. Ary indraindray aho, rehefa hatory, dia manao anakampo hoe faly raha mba tsy mifoha intsony. »

Izany fiekena feno fahakiviana izany, nataona mpilalao sarimihetsika malaza iray, dia maneho fa ny harena, ny voninahitra, ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao dia tsy mahatanteraka ny fanirian’ny fon’ny olombelona. Izany koa, fahiny elabe, no efa niainan’i Solomona mpanjaka. Voasoritsoritra ao amin’ny Baiboly izany, mba ho fampitandremana antsika. Raha mihaino tsara ny hafatry ny Baiboly isika, dia afaka miala mba tsy ho tojo fahadisoam-panantenana toy izany. Solomona dia afaka nanararaotra izay rehetra mety ho azon’ny olona nantenaina hananana teto an-tany, kanefa dia mitory hakiviana ihany koa ny fehin-kevitra notsoahiny, hoe : “Zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra” (Mpitoriteny 1:2).

Tsy ny zavatry ny tany anefa no tena manan-danja, satria tsy mitsahatra eo amin’ny fahafatesan’ny vatana tsy akory ny fiainana. Fantatr’i Solomona izany, ka hoy izy amintsika : “Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo… Fa ny atao rehetra dia hoentin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana” (Mpitoriteny 12:13, 14). Izany fahatahorana an’Andriamanitra izany no mitondra ho amin’ny fiainana (Ohabolana 19:23). Andriamanitra tokoa mantsy dia mitaona antsika hahita ao aminy ny tena valin’ireo hetahetantsika. Hoy Jesosy : “Izaho no mofon’aina ; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony” (Jaona 6:35). Tsy hanoanana na hetahetan’ny vatana tsy akory no nambarany, fa ireo filàn’ny ao anatintsika lalina ao. Ao amin’i Jesosy Kristy no ahitana ny valin’ireo, Izy irery no mahay manome antsika ny fiadanana, ny fifaliana ary ny fitsaharana. Izy dia tsy mandiso fanantenana na oviana na oviana izay olona mitoky aminy.