Asabotsy 17 Aogositra 2019

Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. Jaona 3:17

 

Mitora-bato

Rehefa miteny hoe : « Tsy te hitora-bato azy aho », dia midika izany fa tsy te hanameloka azy, ary tsy te hiampanga azy akory aza. Nefa fantatrao ve fa io fiteny io, izay nanjary nahazatra, dia nalaina avy tamina tantara iray ao amin’ny Filazantsara (Jaona 8:2-11) ?

Fony tetỳ an-tany Jesosy, dia nisy mpitarika ara-pivavahana teo amin’ny vahoaka jiosy, nitondra teo aminy, vehivavy iray voampanga ho nijangajanga. Ny lalànan’i Mosesy dia manameloka ny vehivavy toy izany hovonoina amin’ny fitorahana vato azy.

“Fa ahoana kosa hoy Ianao ?”, hoy ireo lohandohany ara-pivavahana ireo, nanontany an’i Jesosy. Fandrika tena mahatahotra izany fanontaniana izany. Nihevitra izy ireo fa nahita ny fomba handisoana an’i Jesosy ka hanamelohana Azy.

— Raha miteny mantsy Jesosy hoe tsy maintsy toraham-bato io vehivavy io, dia mivadika amin’ny fampianarany manontolo, momba ny fahasoavana, ny famindrampo, ary ny famelan-keloka. Tsy niteny ve Izy hoe hamonjy no nahatongavany, fa tsy hitsara ?

— Fa raha milaza kosa Izy hoe tsy tokony hotoraham-bato ilay vehivavy, dia manohitra ny lalànan’i Mosesy, ary vao mainka zava-doza kokoa izany.

Hoy Jesosy namaly, hoe : “Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany” (and 7).

Tamin’izany teny izany Jesosy dia nananatra ireo mpitari-pivavahana ireo handinika ny toetran’izy ireo ara-pitondrantena. Ny toetran’izy ireo ve tsy toy ny an’io vehivavy io ihany ? Raha hanameloka azy izy ireo, dia tokony ho tsy misy hokianina, aloha. Voakasika tao amin’ny fieritreretany izy ireo, ka niala tsirairay. Jesosy irery sisa no teo, nanoloana ilay voampanga. Izy, Izay tsy nanana ota, no hany hahazo hitora-bato azy. Nefa dia tsy nanameloka azy Izy. Ho faty eo amin’ny hazofijaliana Izy, mba hanonitra ny fahotan’io vehivavy io, sy ny antsika.