Alahady 18 Aogositra 2019

Amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany (nampitenenan’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra ; Izy no nahariany izao tontolo izao. Hebreo 1:2

Tsy tao amin’ny mangingina ... no nitenenako ; ... Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy. Isaia 45:19

 

Miteny amiko Andriamanitra

Misy milaza fa Andriamanitra dia lavitra, na fotoana na toerana no resahina. Koa afaka hanana hafatra ho antsika ve Izy ankehitriny ? Ny sasany indray, mino Andriamanitra ambony indrindra, sy hoe avy amin’ny heriny no niavian’ny zavatra rehetra, ary Izy no mifehy ny singa rehetra eto amin’izao tontolo rehetra izao. Fa ny hoe niteny tamintsika Andriamanitra, dia zavatra hafa tanteraka !

Na mino aza isika fa misy Andriamanitra, dia tsy tokony hanadino fa tsy ampy ny fisainan’olombelona, hahafantarana Azy araka ny maha Izy Azy sy araka ireo toetrany : Andriamanitra dia fanahy, fitiavana, fahazavana… Koa mba hahafantarana Azy, dia nanambara ny tenany Andriamanitra. Ho antsika dia noraketiny ao amin’ny Teniny, ny Baiboly, izany fanambarany ny tenany izany. Hoy Jesosy tamin’Andriamanitra Rainy : “Ny teninao no fahamarinana” (Jaona 17:17). Izany fanambarana izany no tena votoaty sady fototry ny finoantsika : “Ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17). Eny tokoa, Andriamanitra dia miteny amin’izay manana fo vonona hino azy, ary manontany azy koa. Tokony hohenoina Izy, ohatra, tany amin’ny fiandohan’ny Baiboly, nanontany an’i Adama hoe: “Aiza moa ianao ?” ; ary avy eo hoe : “Inona izao nataonao izao ?” (Genesisy 3:9, 13).

Anio dia miantefa amiko ireo fanontaniana ireo, miteny amiko Andriamanitra. Izaho ve tahaka an’i Adama, tsy nankatò an’Andriamanitra ka miery, satria mihevitra fa afaka mandositra ny masony ? Raha izay, dia miantefa amiko ny fanontaniana hoe : aiza ho aiza moa aho izao ? Nefa tsy te hijanona hatreo Andriamanitra, fa mbola miteny amiko ihany koa hoe : “Inona izao nataonao izao ?” Tsia, tsy Andriamanitra lavitra tsy akory Andriamanitra, ary mifanohitra amin’izany aza, tiany hoesorina ny sakana manasaraka antsika aminy, ary amin’ny Teniny no ilazany amintsika ny fomba hanesorana izany.