Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Mino isika fa ny fahasoavan’i Jesosy Tompo no hamonjena antsika. Asan’ny Apostoly 15:11

Solon’i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo. 2 Korintiana 5:20

 

Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo

Hatrizay hatrizay ny olona dia niezaka hampitony ny fahatezeran’ireo andriamanitra na hahazo ny fankasitrahan’izy ireo, tamin’ny fanatanterahana fombafombam-pivavahana na ny fanolorana fanatitra ho azy ireo. Fa asehon’ny Baiboly kosa hoe ny olona dia tsy afaka hamitram-pihavanana amin’Andriamanitra amin’ny fanaovana asa mendrika, ka Andriamanitra tenany mihitsy no nampihavana antsika taminy ary nanefa ny saran’izany.

Andriamanitra dia nitia mandrakariva ny voariny. Mandrakizay sady tsy mba miova ny fitiavany. Satria isika tsy nankatò Azy sy nikomy taminy, dia tokony ho nailiny tanteraka tsy ho eo anatrehany. Tsy izany anefa no nataony, fa noho ny hamoram-pony dia taominy ny olona rehetra hahita ny lalana mitondra ho amin’ny fiadanana. Jesosy Kristy, Izay nankatò tanteraka an’Andriamanitra sy nanao ny sitrany, dia nanaiky hivesatra ny fanamelohana sahaza ny fontsika mpikomy. “Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy” (Isaia 53:5). Ary “ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany (nanaovan’i Jesosy) fampihavanana” (Kolosiana 1:20).

Mba hihavanantsika amin’Andriamanitra, dia nanefa sarany tsy nisy fetra Izy, dia ny fahafatesan’ny Zanany. Tsy Andriamanitra mpamaly faty velively Izy, araka ny tian’ny maro hoheverina, fa Andriamanitra Mpamonjy, Andriamanitra mpamela heloka, Ilay Andriamanitry ny fiadanana. Ary izany fiadanana izany dia atolony ho an’izay rehetra mino Azy. Io fiadanana io no mameno ny fon’izay miaiky, amin’ny saina mibebaka, fa nanohitra, na mivantana na an-kolaka, an’Andriamanitra, Izay tia azy anefa.

“Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo !” Anio dia raiso am-pinoana ny tenin’ny Tompo Jesosy hoe : “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo” (Jaona 14:27), dia ho afaka amin’ny fankahalana sy ny herisetra ianao, ka hanjary ho tia mihitsy ireo fahavalonao aza !