Talata 20 Aogositra 2019

Tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra ; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy. 2 Petera 1:21

Tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa. 1 Tesaloniana 2:13

 

Tenin’olombelona sa Tenin’Andriamanitra

« Lazainao ho tenin’Andriamanitra ny Baiboly, kanefa dia olombelona ihany no nanoratra azy ! »

Indrisy fa niala haingana loatra teo ilay olona niteny izany, hany ka tsy nanam-potoana akory aho, hamaliana ny teniny. Zavatra roa loha no mba tiako ho nolazaina taminy :

— Eny, miombon-kevitra aminao aho (araka ny voalazan’ny andinin-tSoratra Masina voalohany), hoe ny Baiboly dia nosoratan’olombelona ; kanefa teo ambany fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra no nanaovany izany. Andriamanitra, mba hanoratany ny bokiny, dia nampiasa mpanoratra mahatoky, ho fitaovana, toy ny mpitan-tsoratra manoratra izay tononina aminy. Ohatra, momba ny torolalana nomen’Andriamanitra hanamboarana ny tempolin’i Solomona, dia hoy i Davida mpanjaka : “Izany asa rehetra ... izany ... no nampahafantarin’i Jehovah ahy tamin’ny soratra avy tamin’ny tànany, izay atỳ amiko” (1 Tantara 28:19).

— Ho nanontaniako ihany koa io rangahy nandao ahy haingana loatra io, hoe, araka ny heviny, ahoana no ahafantarana ny fanafody tsara. Satria ny fanafody mahomby mantsy dia izay miasa sy manasitrana. Izany indrindra no niainan’ireo rehetra nahita, tao amin’ny Baiboly, ny valin’ny hetahetan’ny fony. Hitany tao amin’ireo takelaka tao anatiny i Jesosy Kristy, Ilay manafaka amin’ny ota. Manenika izao tontolo izao mantsy ny ota, ary ao anatintsika tsirairay koa. Nalahelo aho, nitebiteby na koa sahiran-tsaina ; nefa dia nanjary afaka, fenon’ny fiadanana omen’Andriamanitra : mbola mila porofo hafa ankoatra izany ve aho, hahafantarako fa ny Baiboly dia tena ilay nambarany momba azy tokoa, hoe ny Tenin’Andriamanitra ? Teny velona ny Tenin’Andriamanitra, miasa amin-kery ao am-pon’ny mpino.