Alarobia 21 Aogositra 2019

Efa teraka indray ianareo... tamin’ny ... tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra. 1 Petera 1:23

Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany. Jakoba 1:22

 

Sahia mamantatra ny Baiboly ! (8)

Ny Baiboly dia tsy mba boky toy ireo boky hafa. Ny Baiboly dia manazava ireo fanontaniana lehibe momba ny fisiana, ary ahafahana mamakafaka ny fiainana andavanandro sy mahatakatra ireo fanamby amin’izany. Nefa koa manavao sy manova ... ny fiainan’izay mino izy (Romana 1:16) ! Olona an’arivony no ho afaka mijoro ho vavolombelon’ny fanovana mahatretrika novokarin’ny Baiboly tao aminy. Zava-niainana an’arivony no manaporofo fa ny Baiboly no hany fitaovana afaka manova ny fon’ny olona. Ireto misy ohatra roa :

— Ramatoa Staines : tamin’ny taona 1999 dia nodorana velona ny vadiny, misionera tany India, sy ireo zanany roa zandriny indrindra. Nanoratra izy tamin’ny taona 2002 hoe : « Tsy misy fangidiana, na fahatezerana, ato anatiko. Fa zavatra iray no iriko fatratra, dia ny hahatonga ny mponina rehetra any India hanana fifandraisana manokana amin’i Jesosy Kristy ».

— Ankizy iray izay voafonja ny reniny, noho ny finoany ny Baiboly : tamin’ny tsingerintaona nahaterahan’io reniny io dia nitondra fehezam-boninkazo ho an’ny talen’ny fonja izy, nampiarahany tamin’izao teny izao : « Amin’ity taona ity aho dia tsy afaka manolotra fehezam-boninkazo ho an’ny reniko, toy ny fanaoko, satria migadra ato amin’ny fonjanao izy. Koa dia atolotro ho an’ny renin’ny zanakao ity fehezam-boninkazo ity ».

Izany no herin’ny Baiboly ! Tsy fikomiana mba hanonganana mpitondra manao didy jadona, fa fiainam-baovao manova ny fon’izay rehetra mino an’i Jesosy Kristy. Tsy ahazoana tombontsoa ve ny mahafantatra io boky mahatalanjona aoka izany io ? Tsy hoe fantarina fotsiny anefa, fa ampiharina eo amin’ny fiainana sy amin’izay atao andavanandro. Satria raha mahafantatra ny Baiboly isika, kanefa tsy mitondra vokany ao anatintsika izany, tsy manova ny fiainantsika, dia dila ny maha tena zava-dehibe ny Baiboly isika, very, ary melohiny !