Alakamisy 22 Aogositra 2019

Izy (ny devoly) dia mpamono olona hatramin’ny taloha, ... mpandainga izy sady rain’ny lainga. Jaona 8:44

Ny devoly, izay namitaka azy, dia natsipy tany amin’ny farihy afo sy solifara. Apokalypsy 20:10

 

Satana sy ireo anjeliny

Satana dia anisan’ny anjely, ireo voary ara-panahy noforonin’Andriamanitra. Marani-tsaina fatratra izy. Ambaran’ny Baiboly antsika (Ezekiela 28:11-19) fa naniry hanjary toa an’Andriamanitra izy, ary izany avonavona izany no nahatonga ny fahalavoany. Ankehitriny izy, amin’ny maha filohan’ny demonia azy, dia manjaka amin’ireo anjely notarihiny hiandany aminy fony izy nikomy. Ho azy ireo no nanomanana ny helo.

Dieny tamin’ny fahariana an’i Adama no efa niezaka i Satana hampanalavitra ny olombelona an’Andriamanitra ary nanosika azy hikomy aminy. Ho amin’izany dia tsy nisalasala izy hanohitra ny Mpahary. Momba ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, Andriamanitra dia efa nampitandrina an’i Adama hoe : “Amin’ny andro ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao”. Satana kosa nampiditra fisalasalana tamin’ny teny hoe : “Tsy ho faty tsy akory ianareo… ho tahaka an’Andriamanitra ianareo” (Genesisy 2:17 ; 3:4, 5). Izany dia fampinoana an’i Adama hoe tsy tian’Andriamanitra ny hahasambatra azy, ary fanosehana azy hiavonavona sy tsy hino. Lainga sy tena faniratsirana fatratra Ilay Andriamanitra fitiavana izany.

Mandraka ankehitriny Satana dia mbola mitady hatrany ny hanajamba ny olona sy hampanalavitra azy an’Ilay Andriamanitra tia azy. Matoa ny olona mandany hery be aoka izany mba hanoherana ny Tenin’Andriamanitra, dia satria i Satana, ilay mpandainga, no manosika azy hanaraka ny fironan’ny fony.

Aoka hazava : Satana dia te hitarika ny olona hanaraka azy any amin’ny fahaverezana. Tsy nomanin’Andriamanitra ho an’ny olona tsy akory ny helo. Satana, ilay mpandainga, dia mitady handresy lahatra ny olona hoe tsy misy izany helo izany, mba hahafahany mitarika azy ireo mora foana ho any. Andriamanitra irery ihany no marina.

Ka tandremo àry ! Henoy ny Tenin’Ilay Andriamanitry ny fahamarinana ; tsy mahay mandainga Izy, ary mamonjy izay mino an’i Jesosy !