Zoma 23 Aogositra 2019

Fantatrareo ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony. 2 Korintiana 8:9

 

Ireo olona manankarena indrindra eto amin’izao tontolo izao

Toa anisan’izany hono ny mpanjaka-na firenena bitika iray atỳ amin’ny ilam-bolantany atsimo. Miparitaka eran’ny lapany ny volamena : ny sezafiandrianany dia natao tamin’ny volamena mafonja, ny tehim-piandrianany koa, ary ny lapa fonenany dia toa misy efitra mihoatra ny 1800…

Nefa ny harena rehetra nangonin’io mpanjaka io dia tsy hahafahany mividy ny famonjena azy mandrakizay. Handao ity tontolo ity izy, toy ny olona mahantra indrindra, hitondra tanam-polo. Marina fa mety hampisendoatra ny tsy fitovian-tsaranga, mety hanafintohina mafy. Na koa mety hampanofinofy hoe : raha mba ahy mantsy, na dia ny iray fotsiny aza, amin’ireo faraisa dolara-ny ireo !

Aoka isika tsy hitsiriritra izany fananam-be diso tafahoatra eto an-tany izany. Aoka hitady, raha mbola tsy nahita izany, ilay harena tokana maharitra mandrakizay, ilay hany azo zaraina tsy misy fiafarana kanefa tsy mety mihena na oviana na oviana, ary atolotra tsy misy takalony ho an’ny olona rehetra, dia ny harenan’ny fahalalana an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpamonjy. Mba hahafahantsika manana izany, mba hahafantarantsika an’Andriamanitra ho Raintsika, dia nandao ny voninahiny rehetra tany an-danitra ny Zanak’Andriamanitra, indray andro, ka nanatona ireo mahantra indrindra tetỳ an-tany, mba hitondra amin’ny tenany ny fijalian’izy ireo, mba hameno ny banga noho ny fahantrany. Ary mihoatra noho izany aza, Jesosy dia nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana, ho avotra ho an’ny rehetra, ary avy eo Izy dia nitsangana tamin’ny maty sy niakatra any an-danitra. Ianao ve mba afaka miteny toy ilay apostoly, hoe : “Ny Zanak’Andriamanitra … efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20) ? Raha izany mantsy, dia manana ho mandrakizay ny harena lehibe indrindra ianao, izany hoe manana an’i Jesosy any an-danitra.