Asabotsy 24 Aogositra 2019

Fa zava-dratsy roa loha no nataon’ny oloko : efa nahafoy Ahy, loharanon’aina, izy ka nihady lavaka famorian-drano ho an’ny tenany, nefa lavaka mitriatriatra tsy mahatan-drano. Jeremia 2:13

Nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe : Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Jaona 7:37

 

Kristiana anarana fotsiny ve ?

Sundar Singh (1889-1929), apostoly nitory ny Filazantsara tany Inde, nony niverina avy tany Eoropa, dia nanoratra hoe : « Rehefa nahita ny fitiavan’Andriamanitra tao am-pon’ireo Tandrefana nitondra ho anay ny Filazantsara tatỳ Inde aho, dia nieritreritra hoe hahita izany koa niely tamin’ny mponina rehetra tany amin’ny taninareo any Eoropa. Nefa dia tena hafa noho izany ny zava-misy. Maro ny kristiana anarana fotsiny. Azo lazaina ve izany fa tsy nahomby ny finoana kristiana ? Tsia, fa ireo kristiana no tsy nahatakatra ny atao hoe finoana kristiana ary tsy manaraka ny ohatra nomen’i Kristy. »

Zato taona atỳ aoriana, dia mbola izany ihany no zavatra hita. Firifiry moa ireo olona mampifangaro ny finoana kristiana amina fivavahana azo arahina araka izay tiana, na manontolo na amin’ny ampahany ! Zavatra hafa tanteraka ny tena finoana kristiana, dia ny miaina an’i Kristy, mivelona aminy, miaina miaraka aminy sy ho Azy. Jesosy Kristy no “nifanenana”, ary tamin’izay andro izay dia nitsimbadika ny zavatra rehetra : nanjary nanana dikany vaovao ny fisiana, niova tanjona ny fiainana. Nanjary feno fanantenana ny hoavintsika, satria Izy, Jesosy, nivesatra ny fahotantsika. Ahoana moa no hitondrana ny anarana hoe kristiana, raha tsy manana fifandraisana amin’i Kristy akory ? Ahoana no hanasokajiana ho kristiana izay asan’izao tontolo izao atao : na ara-toekarena, na ara-politika na hafa koa ? Tsy miova Ilay Kristy resahin’ny Filazantsara, fa mbola Ilay nolavin’izao tontolo izao sy nohomboany teo amin’ny hazofijaliana ihany.

Na oviana na oviana, Jesosy dia tsy nihambo hanova izao tontolo izao, ary tsy nihambo hanatsara azy akory aza. Fa esoriny hiala amin’izao tontolo izao kosa ireo izay mandray Azy ho Mpamonjiny, ary omeny aina vaovao tsy mila fanasokajiana, satria fantatra fotsiny hoe “efa niaraka tamin’i Jesosy” (Asan’ny Apostoly 4:13).