Alahady 25 Aogositra 2019

Ny Zanak’ondry (Jesosy), Izay novonoina, dia mendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra. Apokalypsy 5:12

Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy. Apokalypsy 17:14

 

Voninahitra, haja, hery

 

Voninahitra, haja, hery,

Faherezana, fankatoavana, anie,

Ho an’Ilay Andriamanitra lehibe, Andriamanitra mandrakizay

Izay nahary ny zavatra rehetra.

Any aminao, ry Ilay Andriamanitra hany hendry,

No iakaran’ny fanajanay,

Amin’ny vanimpotoana rehetra hifandimby,

Ary ho mandrakizay.

 

Voninahitra, haja, fahendrena,

Fahefana sy harena, anie,

Ho an’i Jesosy, Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra

Izay nanokatra ny lanitra ho antsika.

Ndao hampahatsiaro ny voninahitra,

Ny asa fanonerana

Sy ny fandresen’

Ilay Zanak’Andriamanitra masina.

 

Aoka ny feontsika hanakoako

Eny amin’ny habakabaka midadasika.

Mendrika Ianao, ry Jesosy, ry Tompo,

Ny homena ny dera sy ny laza.

Ianao Izay tia anay,

Ny fitiavanao ambony indrindra

No ankalazainay

Ho mandrakizay.

 

Ruth Demaurex